Dans la męme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidĂ  mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanĂ na voarain`ny CENI. Nahitana kandidĂ  avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidĂ  mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

 

 

 

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin`ny 13 febroary 2019 ny didim-panjakana manendry ireo ambasadaoro Malagasy miisa sivy sy kaonsily jeneraly roa tany ivelany. Raha ny fantatra dia efa mandeha ny fifampiraharahana maro samihafa amin`ireny firenena misy ireo masoivohontsika. Efa niroso amin`ny fandefasana “lettre d`accréditation” ka miandry ny faneken`ireo tompon’andraikitra avy any ivelany. Zava-dehibe ny fametrahana ireo ambasadaoro any ivelany saingy tokony hitodika amin`ny diplaomasia toekarena isika fa tsy te hamirapiratra hahazo ny fankatoavana avy any ivelany fotsiny.

-Ireo ambasadaoro miisa sivy nampodiana: Etazonia, Canada, Senegal, Etiopia, izay solontena maharitra teo anivon`ny Vondrona Afrikanina, Ambasadaoro teo anivon`ny Firenena Mikambana, Soisa, Grande Bretagne sy Irlandy Avaratra, Rosia, Sina

-Ireo kaonsily jeneraly miisa roa nampodiana: La Reunion, Marseille-Frantsa

 

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana