Dans la mme rubrique

Fanorenana maha very hevitra

22/09/2020

Malaza indray ankehitriny ny resaka fifidianana. Malaza toy ny mahazatra rehefa misy izay resa-pifidianana izay ihany koa ireo karazan-drafitra iangonan’ny

Fanorenana maha very hevitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry ny anjara masoandrony

15/09/2020

Mbola tsy hita be eny ihany, hoy ny mpanao politika iray izay, ny hiafaran’ity resaka Coronavirus eto Madagasikara ity.

Miandry ny anjara masoandrony

Hamaky ny tohiny...

Hanome sa omena lesona ?

14/09/2020

Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…

Hanome sa omena lesona ?

Hamaky ny tohiny...

Ho loza raha tsy mitandrina

11/09/2020

Tsy hita be ihany izay lalana hizoran’ity firenentsika ity. Toa efa afa-bela amin’ny valanaretina, kanefa mampanahy ny zava-misy hoe: tena efa tafavoaka ny ala tokoa ve?

Ho loza raha tsy mitandrina

Hamaky ny tohiny...

Maika tsy faingana

10/09/2020

Enga anie mba hifarana tanteraka ity fahamehana ity ary hangatahana amin’ny Mpahary mihitsy moa ny haha fongana tanteraka iny aretina nanakorontana ny fiainam-pirenena iny sy ny tsy hiverenan’izany eto intsony

Maika tsy faingana

Hamaky ny tohiny...

Fanabeazana no fanalahidy

09/09/2020

Mafana n heviny ny olom-pirenena, samy manana ny fomba fijeriny sy ny fahatakarany fifandirana ara-politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Samy manana nyy.

Fanabeazana no fanalahidy

Hamaky ny tohiny...

Miandry fitsaharana

08/09/2020

Miditra amin’ny ahamehana ara-pahasalamana andiany faha 13 isika ankehitriny.

Miandry fitsaharana

Hamaky ny tohiny...


Edito

Fampandrosoana diso paika ?

20/08/2019

Miroso mankany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna isika amin’izao fotoana izao. Ny ben’ny tanàna rahateo no sokajiana ho rafitra ara-panjakana akaiky ny vahoaka indrindra, raha ny lalàna sy ny fitsinjaram-pahefana satria hatreto mbola tsy tafiditra ao anatin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ny fokontany.

 

 

Tokony ho kitro hifaharan’ny fandrosoana ny eny ifotony, ary izay no ilàna ilay antsoina hoe: fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy vitan’ny resaka ambony latabatra na ezahina resahina voizina io, fa tena mila asa sy finiavana lehibe, indrindra fa ho an’ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena. Raha vao miresaka an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy, dia aleo tsiahivina foana hoe: ny tantsaha, ny eny ambanivohitra, ny any anaty fokontany lavitra andriana,… no manome ny 80% araka ny antontan’isa. Tena mipaka any amin’ireo tokoa ve ilay ambara fa fampandrosoana haingam-pandeha tsy mbola nisy tao anatin’ny 58 taona voizin’ny filoha ankehitriny ? Moa ve ny fitsinjaran’ny volam-panjakana hampiodinana sy hampandrosoana ny firenena tena mipaka eny ifotony izay tokony ho kitro hifaharana sy hiaingan’ny fampandrosoana ? Ny hita raha tarafina tany amin’ny 10 taona lasa sy mbola aseho ankehitriny dia fotodrafitrasa na hetsika iray hanintona, mamirapiratra sy manaitra jerena no atao hoe fampandrosoana. Diso lasa aloha loatra angamba ny mpitondra amin’ny heveriny fa fandrosoana fa tsy arakaraka ny tadiavin’ny vahoaka aminy. Mety ho lojika izany satria tsapa sy tsikaritra fa toa tsy niaina sy nandalo izany fiainana maha tantsaha sy tambanivohitra izany ka hahalala ny tena filan’ny vahoaka maro an’isa ny filohantsika ankehitriny. Toa fampandrosoana diso paika ! Sa diso izany ?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana