Dans la męme rubrique

Kere any Atsimon’ny Nosy Andrasana ny vahaolana maharitra

24/02/2020

Nitsidika ny kaominina Maroalomainty sy Maroalompoty, distrikan’Ambovombe sy kaominina Sampona, distrikan'Amboasary Atsimo,

Kere any Atsimon’ny Nosy Andrasana ny vahaolana maharitra

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa Marary mafy

24/02/2020

Marary mafy i Tabera Randriamanantsoa amin’izao fotoana izao, raha ny fampahafantarana sy ny antso avo ataon’ny fianakaviany.

Tabera Randriamanantsoa Marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

20/02/2020

Anisan’ireo fifanekem-pandaharan’asa (contrat programme) nataon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tamin’ny filoham-pirenena ny famerenana ny vaky boky any an-dakilasy.

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

20/02/2020

Nesorina tamin’ny toerany araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 febroary lasa teo ny tale misahana ny “Regulation des Medias”

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

20/02/2020

Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

Hamaky ny tohiny...

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanĂ na

20/02/2020

Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanĂ na

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

19/02/2020

Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana janoary ny mpiasa amin’izao fotoana. « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique),

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

 

 

Avy any Chine novokarin’ny orinasa “Sinotruck” izany, ka kasaina homena hampiasain’ny SAMVA mpitaona ny fako eto Antananarivo Renivohitra, raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsy nahenoana resaka antso tolo-bidy ara-dalàna na “appel d’offre” anefa io resaka io. Mety miandry fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo no hamoahana izany hoenti-maka ny fon’ny mpifidy. Tsiahivina hatrany fa ny SAMVA dia eo ambany fiahian’ny fanjakana foibe amin’ny alalan’ny minisiteran’ny rano. Io izany no tsy mahavita ny asany na iniana tsy taomina mihitsy ny fako mba hoenti-manaratsy endrika tanteraka ny mpitantana ny kaominina Antananarivo. Midika io fa lasa “fako politika” ny resa-pako eto. Manana ny hoenti-manana sy ny fitaovana hitaomana ny fanjakana fa iniana tsy atao ny asa, mba hanaratsy endrika ny mpitantana ankehitriny amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka. Toa mifandraika amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina tetsy Anosy ny 6 aogositra io hoe: ny resaka kandida dia tsy misy fahatahorana ho azy ireo na eto Antananarivo na manerana ny Nosy. Ny antso ataoko dia izao mba tiantsika ho maoderina ve ity renivohitr’i Madagasikara ity ? Tiantsika handroso ve ity Antananarivo tiantsika hatao maodely mangirana, madio,… ity ? Toa misintona ny sain’ny olona ankolaka hoe : fidio ny olonay dia esorinay ny fako izay adidinay ny mitaona azy fa raha tsy izany dia aleo ho maimbo eo Antananarivo ny ny vahoakany. Atao takalon’aina ve izany ny renivohitra ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana