Dans la mme rubrique

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

19/02/2020

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao. Fotoana mahabe ny valan’aretina isan-karazany ary anisan’izany ny « Pesta ».

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

Hamaky ny tohiny...

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

19/02/2020

Milamindamin-dratsy ny ao Ambilobe taorian’ny savorovoro noho fikasana fitsaram-bahoaka noho ny fahatrarana an’i “Body Mena”.

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

Hamaky ny tohiny...

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

19/02/2020

Taorian’ny dian’ny praiminisitra nampahery ireo traboina sy nijery ny fahavoazana,

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

19/02/2020

Rangahy iray no vaosambotry ny polisy ao Arivonimamo ny alatsinainy teo noho ny resaka fihetsika mamoafady (attentat à la pudeur)

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

19/02/2020

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny tanàna miisa 18 lany tao amin’ny distrikan’i Brickaville.

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

Hamaky ny tohiny...

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

18/02/2020

Zandary iray kilasy faharoa miasa ao Mandrosonoro no nitifitra nahafaty ny raibeny, avy eo namono tena tamin'ny basim-panjakàna,

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

Hamaky ny tohiny...

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

18/02/2020

Avotra soa aman-tsara ireo olona miisa 11 tao anatin’ilay vedety rendrika tany amin’ny lakandranon’i Pangalane tany Mahanoro ny marainan’ny alahady 16 febroary lasa teo.

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

Hamaky ny tohiny...


Tranga

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

 

 

 

 

Mangarano dia lehilahy iray no niditra tao anatina cyber. Napetrany teo anoloan’ilay trano nidirany ny moto nentiny. Tsikaritr’ireto tovolahy roa ny fihetsika ka nohararaotin’izy ireo nangalarina. Novelomin’izy ireo ary nentiny. Raha vao nivoaka ny cyber ilay lehilahy dia nahatsikaritra fa tsy teo intsony ny fananany ka nampandrenesiny avy hatrany ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mangarano. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tamin’ny alalan’ny fikarohana. Taorian’ny angom- baovao isan-karazany, voasambotra fotoana fohy taty aoriana tany amin’ny parcelle 21/51 Mangarivotra, niaraka tamin’ilay moto ny tovolahy roa tompon’antoka. Nandritra ny fisamborana dia mbola nahitana karazana clé maromaro tany amin’izy ireo.Noho izy ireo tsy ampy taona, natolotra ny polisy, sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona Toamasina izy roa ireto hanohizana ny fanadihadiana.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana