Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rodoben’ny mpanohitra Nampahafantarina ny SADC ny fisiany

19/08/2019

Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faha-39 tanterahina any Dar es Salaam any Tanzania ny Vondrona SADC (Southern African Development Community) ny 5 hatramin’ny anio 19 aogositra.

 

 Nisy ny fivoriam-baomiera samihafa, ary namarana azy ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy governemanta ao anatin’ny SADC. Niandefa taratasy misokatra tany amin’io rafitra io i Marc Ravalomanana, nanaovana tatitra momba ny toe-draharaha ara-politika eto Madagasikara, indrindra ny lafiny demokrasia, izay nitsanganan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Izy rahateo no lany ho filohan’io Rafitra ara-toekarena sy ara-politika iray SADC, ka tsy afa-miala amin’io i Madagasikara noho ny fisian’ilay antsoina hoe “Principe de subsidiarité”, izany hoe raha misy raharaha iray mahakasika an’i Madagasikara dia tsy maintsy mandalo amin’ny SADC vao miakatra amin’ny Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,... Nampahafantarin’i Marc Ravalomanana ny toe-draharaha eto satria araka ny fanadihadiana navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena Freedom House ny taona 2018 dia voasokajy ho  “firenena tsy mbola afaka” na « à moitié libres » i Madagasikara, izay zara raha nahazo isa 56/100. Na dia efa eken’ny Lalàmpanorenana aza ny fanoherana ary efa misy ny Lalàna 2011-013 tamin’ny 9 septambra 2011, dia nampahafantariny fa misy ny fikasana ataon’ny mpitondra mba hamerana sy hamatorana ny mpanohitra mba tsy ho afaka manao ankalalahana ny asany amin’ny fanovana io lalàna io, izay tsy nampiharina akory. Midika sahady ho fanamparam-pahefana ka atahorana ny mety hiafara amin’ny didy jadona eto amin’ny firenena, hoy ny tatitra. Miantso ny fikambanambe iraisam-pirenena izahay mba hanampy hatrany an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ny tena demokrasia sy ny tany tan-dalàna ka samy handray ny andraikiny daholo ny hery velona eto amin’ny firenena, hoy izy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana