Dans la męme rubrique

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

28/02/2020

Ny alatsinainy 3 febroary teo dia nitrangana vono olona feno habibina tao amin'ny fokontany Sarinosy, kaominina Ambanivolo Etrotrika, distrikan’i Farafangana.

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

28/02/2020

Hifarana anio ny atrikasa fanomanana ireo rafitra hanampiana ny fanondranana ara-barotra ao Toamasina na « Atelier de préparation de la mise en place des structure d’appui au exportateurs ( SAE ) ».

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

Hamaky ny tohiny...

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

28/02/2020

Na dia vao tamin’ny 10 ora maraina aza ny andro dia tsy nahasakana jiolahy telo nanendaka lehilahy iray 60 taona teny Soanierana omaly.

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

Hamaky ny tohiny...

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

28/02/2020

Nanamarika ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby fa manaraka ny teknolojia tsara ny fitaovana ampiasain’ízy ireo

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

Hamaky ny tohiny...

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

28/02/2020

Mbola sary ratsy sarotra kosehina teo amin’ny tantaran’ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara ny nampiditra antsika tao anatin’ny “Annexe B” ny taona 2011 ary tsy nahafahana niala tao anatin’izany raha tsy ny taona 2016.

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

Hamaky ny tohiny...

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

28/02/2020

Tao anatin` ny 15 taona farany dia mihoatra ny tokony ho izy ny isan`ny mponina ka nitombo avo roa heny izany eto an-drenivohitra.

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

Hamaky ny tohiny...

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

28/02/2020

Tsy mitsahatra manao fisafoana manerana ny distrikan’i Vohemar ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP any an-toerana.

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

 Io no fampitam-baovaon'ny mpitandro filaminana any an-toerana mahakasika ny raharaha Faharetana, Morarano, ao amin'ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika, Arivonimamo. Ny voalohan'ny herinandro teo no nanomboka nanatanteraka ny didim-pitsarana ho fanalana ireo mponina heverina fa mibodo io tanin'ny orinasa iray io ny tomponandraikitra ara-pitsarana sy ara-miaramila ka niteraka sakoroka. Tsy nanana taratasy maha azy ireo ny saha anefa ny mponina na dia efa taona vitsy aza izy ireo no nanamainty molaly izany. Tsy nisy fandratrana na fanamborana olona velively nandritra ny fanalana ireto farany. Nanohy ny fanazavany ny loharanom-baovao iray izay vokatry ny fanadihadiana lalina notanterahin'ny mpanao gazety fa niasa tao amin'ilay orinasa ka voaroaka tao ny olona iray. Nony nirotsaka hofidiana izy dia namaly faty ka nampanantena ireo vahoaka teo an-toerana fa hozarain amin'izy ireo io toerana midadasika misoratra amin'ny orinasa io. Avy dia nampandany azy tamin'ny fifidianana ireo vahoaka tsy mandidy harona izay manantena hatrany fa manam-pahefana masi-mandidy amin'izany  io nofidian'izy ireo io. 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana