Dans la mme rubrique

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

06/12/2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

04/12/2019

May kila forehitra ny ampahany amin’ny tranombarotra goavana Galerie Mialy etsy Behoririka ampitan’ny mpaninjara solika Shell omaly hariva.

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

04/12/2019

Anisan’ny antony nampiatoana ny fanadinana teo anivon’ny sekoly ambony mampiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ny fisiana endrika kolikoly ka nandraisana fepetra fampiatoana ny fanadinana.

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

Hamaky ny tohiny...

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

04/12/2019

Anisan’ireo olana maro amin’ireo voafonja eto amintsika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ary maro no tsy ara-dalàna.

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

04/12/2019

Manara-maso ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny « Inspection Générale de la Police Nationale » (IGPN).

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

04/12/2019

Ny 1 600 amin’ireo mpiadina 10 646 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany voalohany tamin’ny 23 sy 24 novambra lasa teo no horaisina hiatrika ny dingana faharoa.

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Asa fanaovan-gazety Nampahafantarina omaly ny momba ny “journalisme collaboratif”

14/08/2019

Fomba fiasa efa mihamahazo vahana any ampitan-dranomasina ny “journalisme collaboratif”, ary hahazoana tombony, toy ny hoe : mihena ny vola lany rehefa mizara asa ny mpanao gazety.

 

 

 Misy akony mafonja kokoa any amin’ny olona maro, na any amin’ny firenena hafa mihitsy aza, ny vokatry ny fanadihadiana natao, hoy Rakotondravony Alain Iloniaina, mpanao gazety mpampiofana eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES). Mbola vitsy anefa ny mpanao gazety malagasy manao azy. Ity “journalisme collaboratif” ity dia fomba fiasa iray, ka mpanao gazety maromaro no miaraka mitrandraka vaovao sy manao fanadihadiana lalina. Mety ho avy amina orinasan-gazety samy hafa izy ireo no miara-miasa ary afaka miitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Nanasa an’i Leila Minano, mpanao gazety vahiny mpanao fanadihadiana lalina ny FES omaly, nampahafantatra sy namelabelatra ny momba io antsoina hoe : “journalisme collaboratif” io.  Nahafahana namoaka ho fanta-bahoaka, ny marina momba ny raharaha mafampana maro, ny fomba fiasa “journalisme collaboratif”. Anisan’izany ireny raharahan’ny “panama papers” na “paradise papers” ireny.   

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana