Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Solombavambahoakan’i Madagasikara Andrasan’ny vahoaka hamaha ny olana eny ifotony

14/08/2019

Betsaka ny hetahetan’ny vahoaka, maro ireo zavatra efa nandrasana hatramin’izay tsy vita eo no efa nampanantenain’ny olona teo aloha tsy vita…

 

 

 

Ao anatin’ny fandinihanana ny politika ankapobeny ny fanjakana ireo depiote ireo, izay voaantso hiatrika fivoriana manokana. Fotoana izao hijeren’ireto olom-boafidy ireto manokana ireo distrika misy azy. Hijery akaiky sady  apetraka tsara mihitsy sy angatahina any amin’ny governemanta ny fe-potoana na ny atao hoe « dead line » amin’ny asa hatao. Efa samy mahalala izay zavatra misy any aminy ireo solombavambahoaka ireo ka tokony hiady ho an’izay mba tena hahazo tetikasa maro mba tena hiantefa any amin’ny vahoaka. Mba zavatra tena hotanterahina ihany koa fa tsy atolotra fotsiny. Rano fisotro madio, resaka fahasalamana toy ny CSB sy hopitaly… eo ihany koa ny fampandehanan-draharaha eny amin ireo sampandraharam-panjakana, eny amin’ny kaominina, na eny amin’ny distrika. Mahakasika ny fampianarana ihany koa satria vitsy ny sekoly any amin’ireo ankamaroan’ireo distrika. Betsaka no andrasana amin’izy ireo. Asa masina ny asan’ny parlemantera satria solontena sady mitondra ny feon’ny vahoaka. Ny laharampahamena na any amin’ny fahefana mpanatanteraka na mpanao lalàna dia izay mahasoa ny vahoaka.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana