Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko politika maro eto Madagasikara « Mampieritreritra ihany ny fisiany”

14/08/2019

Mifandrirotra ny mpanao politika amin`ny resaka fanoherana indrindra eo amin`ny lehiben`ny mpanohitra.

 

 Fantatra fa nisy lalàna nivoaka momba ny antoko mpanohitra ary efa voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana. Ny olana eto Madagasikara, hoy Rtoa Aimée Ratsimbazafy, filoha lefitry ny KMF/Cnoe Fanabeazana ny olom-pirenena , dia efa misy ny lalàna nofidiana sy efa mipetraka saingy ny fampiharana asa mihitsy no mahatonga ny mpanatanteraka tsy tapa-kevitra mametraka izany. Nandritra ny fivorian`ny birao nasionalin`ny KMF Cnoe dia efa nanamafy izy ireo fa aoka hifanjohy ny fifidianana ny lalàna. Rehefa tafapetraka izany dia tokony hiaraka aminy ny lalàna fampiharana mba tsy hampiteraka savorovoro eo amin`ny samy Malagasy. Ny lalàna mihantona, hoy ity filoha lefitra ity, ary mampisalasala ny olom-pirenena na ireo tomponandraikitra, indrindra moa ireo antoko politika. Mahakasika ny hoe « samy te ho mpanohitra » ireo antoko dia nilaza Rtoa Aimée Ratsimbazafy fa efa dingana iray ny fihaonan`ireo antoko mpanohitra ary antenaina hitondra zava-baovao ka mba hisy fivoarana eo amin`ny antoko politika rehetra. Nomarihany kosa fa maro ireo antoko politika eto Madagasikara nefa mahagaga fa vitsy amin`izy ireo no sahy sehatra amin`ny fifidianana. Ny antom-pisian`ny antoko politika dia ny fandraisany fahefana amin`ny alalan`ny fifidianana. Saingy tsy izany no zava-misy ka mampieritreritra ihany ny fisiany. Antoko politika tokoa marina ve izy ? Ny antoko politika dia manana vina ka nahoana ny vinan`ireo antoko maro ireo ? Anjaran`ny minisiteran ny atitany no mandray andraikitra momba ny antoko politika izay tsy mandray anjara amin`ny fifidianana, hoy ihany izy. Mila atao mazava amin`ny olo-pirenena izany satria ny vahoaka mijery sady mametra-panontaniana amin`ny hoe “antoko iza no inona ? manao inona ?” Tsy fantatra intsony, hoy hatrany ny fanazavana

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana