Dans la mme rubrique

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

11/10/2019

Tratra teny amin’ireo roalahy mpamaky trano ny fitaovana entina mampihorohoro izay hotafihany, dia ny basy kilalao sy antsy lava iray.

Mpamaky trano tetsy Mandroseza Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny basy kilalao

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

11/10/2019

Rehefa nohadihadian’ny polisy ireo lehilahy roa, 20 sy 25 taona voasambotra teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny

AMBOHIMAHITSY SY AMBATOMARO Mpanendaka efa gadralava sarona

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

11/10/2019

Misy faritra mena fanendahan’ireo jiolahy mpanindrona antsy any Mahajanga, tahaka ny any Tsararano.

Fanendahana ao Mahajanga Tratra ireo nahafaty mpialasasatra

Hamaky ny tohiny...

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

11/10/2019

Teratany kaomorianina roa nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Italia sy tsy manana taratasy ho eto Madagasikara no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sisin-tany PAF Nosy Be, ny 8 oktobra teo tamin’ny 6ora sy 30mn maraina.

Hiondrana any Italia an-tsokosoko Kaomorianina 2 sarona tany Nosy Be

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

10/10/2019

Mbola mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza.

AMBOHIMANDROSO RN7 Zazarano vavikely enim-bolana hitan'ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Mpitaingina moto voahitsaky ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay tovovavy

08/10/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Manakambahiny, akaikin’ny Le Quartz omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro tany ho any.

Mpitaingina moto voahitsaky ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay tovovavy

Hamaky ny tohiny...

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

08/10/2019

Olona 11 no indray namoy ny ainy vokatry ny tsy fitovian-kevitra tamina fisaraham-panambadiana tao amin’ny fokontany Anonobe, Kaominina Emagnabo Distrikan’i Tolagnaro Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro lasa teo.

Olona ara-panambadiana Olona 11 indray maty noho ny gidragidra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kivy tanteraka ny mponin’Ambohimahasoa Dahalo mamono olona, mpitandro filaminana mamono olona…

13/08/2019

Tofoka sy leo ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka any amin`ny distrika Ambohimahasoa ary tsy te hahalala zon’olombelona intsony.

 

Ny zava-misy any amin’ny faritra somary atsimon’ny Nosy iny, dia na matin’ny dahalo na mahafaty azy. Manomboka ritra ny omby, tsy mifidy zavatra halaina intsony ny dahalo. Efa lasibatra koa ny kisoa, ny akoho amam-borona, hatramin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN. Misy toerana tokony hanaovana hetsika bebe kokoa toy ny any Ambalakindresy, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian. Efa hatramin`izay no sarotra hidirana any amin`io toerana io tao anatin`ny taona maro saingy efa am-pelatanan`ny mpitandro filaminana izany. Nambarany fa tokony hitandrina ny olona fa betsaka ny mahita tombontsoa amin`ny halatra omby ary izy ireny no manely vaovao tsy marina. Nilaza ny lehiben`ny governemanta fa tokony hiara-kiaiky isika fa nihena ny tahan`ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ny zava-misy any amin`ity distrika ity ihany koa dia mamono olona ny mpitandro filaminana. Na dia maro aza ireo zandary, polisy, miaramila maro any am-ponja noho ny fihoaram-pefy dia manahy ny mponina any an-toerana ka efa mivonona amin’ny fiarovan-tenany ny mponina. Ambalakindresy sy Morafeno, any Ambohimahasoa no tena faritra mena satria toa lasa tobin`ny jiolahy mihitsy. Tsiahivina fa tamin`ny taona 2017, namoy ny ainy ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambalakindresy sy ny rahalahiny, raha teny ambony môtô sy an-dalana handeha hamonjy fodiana iny. Nifamahofaho be ihany ny toe-draharaha mahakasika iny vono olona iny. Tao no nilaza fa hoe zandary nanara-dia dahalo tany an-toerana no nitifitra ity olom-boafidy ity sy ny olona niaraka taminy. Ao kosa ireo milaza fa jiolahy izay nanao vela-pandrika no nanao izany. Toa efa ho lava kosa eto ny resaka ambony latabatra momba fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana ny tsy fandriampahalemana. Toa ambinambin-javatra ihany ity resaka ity, eny fa na dia manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo iraka vitsivitsy halefa hiady amin’ny dahalo.

 

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana