Tranga
Fikarohana jiolahy ikoizana Mampiasa kara-panondro hosoka maro i Del Kely
13/08/2019
«Nanova anarana i Del kely izay jiolahy ikoizana ary manao kara-panondro hafa nony efa efa niha nalaza tamin’ny asa ratsy », hoy zandarin’i Betsiboka, nitafa manokana tamin’ny mpanao gazety.
Adelson no tena anarany raha ny filazan’ireo namany akaiky izay efa tratra. Tena sarin’i Del kely izay nalaza tamin’ny kidnapping sy halatra omby io amin’ny kara-panondrony io, hoy hatrany ireo namany. Nahazo angom-baovao ny zandary ao Betsiboka fa io dahalo raindahiny io sy ireo namany dia mitoby ao Ambatofotsy, Mahatsinjo, sy Antsiafabositra, distrikan’i Maevatanana. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary ny 7 aogositra farany teo .Voamarina fa tao izy ireo fa ny namany roa no tratra. Sarona tao koa ny fitaovany, ny omby valo tsy misy taratasy. Nanohy nankany Manalasala, Tsinjorano, Antsiafabositra ny zandary sy ireto tratra. Nony tonga dia notatazan’ny tifitry ny jiolahy. Raikitra ny fifanjevoana ka dahalo 3 no lavo ary tafaporitsaka i Del kely sy ny namany iray. Tratra tao ny kara-panondrom-pireneny sy ny basy roa Mas36 ary ny basim-borona miaraka amin’ny bala sy zava-maranitra 8, mohara. Nikasa hitsoaka ireo efa voasambotra ka voatery nitifitra ny zandary. Nanampy betsaka sy niaro ny zandary ny fisian'ilay fiara mifono vy.
Haja Nirina