Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Omby miakatra eto Antananarivo “Tokony haraha-maso akaiky”

13/08/2019

Any amin’ny fokontany, kaominina, indrindra, iny faritry ny Bara sy Toliara iny dia fantatra fa betsaka ny zavatra azo atao ifampifehezana,

 

 hoy ny depioten’i Beroroha, Nakany Charlie, raha nanontaniana ny laharam-pahamehana momba ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy momba izany eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Na ny mpitandro filaminana aza tsy ampy. Efa miova endrika ny asan-dahalo. Misy tambajotra matanjaka ao ary mpiasam-panjakana aza tafiditra ao anatiny. Betsaka ny tinady eto Antananarivo ary misy manondrana an-tsokosoko ireo omby, raha ny fanazavany, vokatr’izany. Tsy fomban’ny olona any ny mamarotra omby ary tsy mamono omby ny any raha tsy fifaliana na fahoriana. Mila fandraisana andraikitra io ary raha azo atao, hoy izy, dia ny omby vavy tsy tokony hovonoina. Tokony harahi-maso akaiky ny fiakaran’ny omby eto Antananarivo. Misy patron’omby mandray ireny amin’ny vidiny mora ary mahagaga fa madio ny taratasy rehefa tonga eto. Betsaka moa ireo efa voasambotra tao anatin’io tambajotra io amin’izao fotoana saingy ilaina ny dina ifampifehezana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny lalàna no hampiharana azy mba tsy hahatonga ireny fitsaram-bahoaka ireny, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana