Dans la męme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra fiara teny Ambohimangakely Olona 6 nidoboka eny Tsiafahy sy Antanimora

13/08/2019

Natolotra ny fitsarana teny Anosy omaly ireo 7 mianadahy voasaringotra tamin’ilay halatra fiara teny Ikianja noravana teny Ambohidratrimo.

 

 

 

Nofonjaina vonjimaika eny Tsiafahy ny roa, eny Antanimora ny 4 ary nahazo fahafahana vonjimaika ny iray mandra-piandry ny fitsarana azy ireo. Raha tsiahivina, nahazo fampandrenesana ny zandarin’ny tobin-janaparitra ao Soamanandrariny fa nisy fiara “Sprinter” tao anaty garazy Ikianja Ambohimangakely, nisy nangalatra. Nalaina am-pitaka tamin’ny mpiambina izy io ka nolazaina fa hitondrana marary. Nisy ny nahiahiana taorin’izay ka nosamborina sy natolotra ny fitsarana ireo olona ireo ka efa naiditra am-ponja vonjimaika teny Tsiafahy ny iray, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa. Namoaka didy fampisamborana na  “delegation judiciaire” ny Fitsarana tamin’ny mpiray ombon’antoka.

Ny 9 aogositra lasa teo, nahazo vaovao ny zandary fa eny amin’ny faritra Ambohidratrimo ilay fiara ka nizaha ifotony izany izy ireo. Tratra tao anaty tanànan’olona ilay fiara very ka olona maromaro no voasambotra. Lehilahy iray anisan’ny atidoha nikotrika izao asa ratsy izao no nosamborina tany Ankazobe. Olona miisa 7 mianadahy ary no voasambotra tamin’ity raharaha ity ka teo ny nandray anjara mivantana, nisy ihany koa ny nikasa hividy ny “carrosserie” an’ilay fiara, tao koa ireo olona nametrahana ny fiara ary ireo nanao ny “demontage”.

 

Haja Nirina

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana