Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao “Aza atao bontolo ny fandaniana lalàna …”

13/08/2019

Nomen’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny hafatra mavesatra ny governemanta sy ny fitondram-panjakana tamin’ny ankapobeny omaly nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa an’ity andrim-panjakana ity.

 

 

 

 

 Aoka tsy ho fanapahan-kevitry ny fitondrana irery ilay lalàna mifehy ny mpanohitra, hoy izy, fa hifampidinihana sy iadian-kevitra tsara. Fototra iorenan’ny demokrasia ao amin’ny firenena iray ny fisian’ny mpanohitra izay tsy hidina an-dalambe lava na hanongam-panjakana fa kosa arofanina ho an’ny mpitondra. Amin’ny tany demokratika, dia anisan’ny fototra ijoroan’ny demokrasia raha tena mandala azy fa tsy sarintsariny fotsiny  (Démocratie de façade) ny fanekena fa misy ny mpanohitra eto amin’ny firenena. “Hatraiza ny fahasahiantsika fanjakana manokatra izany amin’ny adihevitra lehibe ?”, hoy izy. Raha tsy hiady hevitra amin’ny mpanao politika mantsy fa ny fanjakana irery sy ny antenimiera no handidy sy hanapaka ny lalàna momba ny fanoherana dia mety handeha ila ihany. Manentana ny rehetra hanana fahalalahan-tsaina sy hanana faharetana i Rivo Rakotovao. Anisan’ny tandindon’ny demokrasia ny hoe androany ianao mety ho mpitondra fa rahampitso mety ho mpanohitra, hoy izy. Afaka miresaka isika na tsy mitovy hevitra aza. Ny tombontsoan’ny firenena no ambony indrindra. Farafahakeliny in’efatra niantso manokana ny praiminisitra Ntsay Christian izy mba hampita amin’ny fahefana mpanatanteraka ny maha zava-dehibe ny fiaraha-midinika momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra fa tsy sanatria atao bontolo ny fikitihana sy fandaniana azy. Tsy sanatria atao fitaovana politika io lalàna io na hampanjakana ny hevitry ny fironana tokana na antoko tokana na olon-tokana fa tena zavatra mipetraka hahasoa ny firenena. Aiza ilay olona no haneho ny heviny kanefa izay kianjan’ny demokrasia izay efa antsika, miroso anatin’ny tsy fitovian-kevitra, kanefa afaka miara-miaina ? Mandeha ila ihany mantsy ny demokrasia raha tsy tafapetraka amin’ny tokony hoy izy ny fanoherana eto. Tena mila maharitra isika mandinika azy io, hoy i Rivo Rakotovao ary vonona ny antenimierandoholona hiresaka amin’ny solombavambahoaka sy ny antoko politika mba handaminana ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Ankoatra ny lalàna mifehy ny fanoherana, dia fandaharam-potoana ihany koa ny hanoloran’ny praiminisitra ny programa ankapoben’ny fanjakana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana