Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanovana ny lalàna momba ny fanoherana Tsy misy idiran’ny governemanta, hoy ny praiminisitra

13/08/2019

Hanolotra ny programa ankapoben’ny fanjakana na ny PGE eny amin’ny antenimieram-pirenena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta,

 

 

 ka nilazan’ny filohan’io andrim-panjakana io Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra ny fotoam-panonkafana ny fivoriana tsy ara-potoana omaly, fa tsara raha miditra kokoa amin'ny antsipirihany indrindra ireo tetikasa ny PGE, hahafaha-mandrefy ny zava-bitan'ny governemanta. Marihina fa miisa 3 ny lahadinika, dia ny fitsipika anatin’ny antenimiera, lalàna mifehy ny fanoherana izay ao anatin’ny fandinihina ny fitsipika anatiny no isan’ny hamerenana ny hasin'ny antenimieram-pirenena amin’ny alalan’ny mangarahara amin'ny asa, fitsinjovana ny tamberin'andraikitra, raha ny nambaran’ny filohany Rtoa Christine Razanamahasoa.  Momba ny fanolorana ny PGE, dia dia efa miomana amin’izany ny tenako, ary tsy misy olana satria izay no andrasan’ny rehetra, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tsy maintsy mitandrina kely ihany satria mety ho ora 5 na ora 6 no lany. Nambarany kosa tetsy an-daniny fa tolo-dalàna ny mahakasika ny sata momba ny mpanohitra, ka ry zareo ao anatin’ny antenimieram-pirenena ihany no nitondra izany tolo-dalàna izany hodinihin’izy ireo fa ny governemanta, dia ny alarobia lasa teo no efa nanome ny heviny. Izy ireo ihany no mahita ny fanovana tiany hapetraka. Mila mailo sy mitandrina amin'io lalàna 2011-013 tamin'ny 11 septambra 2011, hoy kosa ny filohan’ny antenimiera Rtoa Christine Razanamahasoa. Mikasika ny fifidianana kosa, dia tapitra alohan’ny faran’ny taona ny fotoam-piasana. Eo am-pandinihana ny fitondrana, kanefa tsy maintsy mahay mifampihaino isika Malagasy. Betsaka ny vondrona politika miteny fa misy zavatra mila hatsaraina, toy ny lisitra. Nambarany fa mijery sy mandanjalanja ny fitondrana. Ny fanavaozana ny lisitra moa dia ny manomboka ny 1 desambra. Ho fantatra tsy ho ela araka ny tenin’ny filoha, izay fanapahan-kevitra, raha ny nambaran’ny lehiben’ny governemanta.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana