Politique
Fanotofana ny lemak’Ambohitrimanjaka Aza potehina ny fiainam-bahoaka, hoy ny Depiote Rodin
13/08/2019
Efa tamin’ny andron’ny Itompokolahy Pr Zafy Albert no niketrehan-dRaboanarijaona Holijaona an’io IEM io, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimimamo Rakotomanjato Rodin.
Niditra indray ny filoha Rajaonarimampianina, ary tsy lany tato amin’ny antenimieram-pirenena izany, hoy izy omaly teny Tsimbazaza. Mitovy ny tany Antsiranana sy Toliara samy nanaiky ny tsy hivarotana ny tany. Efa tantara tany amin’ny taona 1991 tamin’ny andron’ny herivelona io nentin’io olona notononiko io, dia maninona no kotrehina eto sy mbola entina eto ihany ? Iza no hamatsy an’io, ary io tsy Ambohitrimanjaka irery no velomin’io fa hatraty Ambohimanarina no tompon’ireo tanimbary hototofana ? Maninona ny tanimbarin’olona no potehinao kanefa ianao angaha mahavatsy an’ireo ? Tsy tokony hohadinoina fa Ambohitrimanjaka sy io Betsimitatatra io manenjika ny maitso ahitra ka iza no hiahy ny fiainam-bahoaka ? Maninona no hoe tsy maintsy Ambohitrimanjaka ? Mba jereo ny any ivelany toa an’i Thailand fa ny tendrombohitra no potehina sy harenina, hoy ity solombavamvahoaka avy amin’ny TIM ity. Ireny no tsy misy olona ka ireny totofana ka na 20 000 hektara aza tsy maninona. Aza potehina ny fiainam-bahoaka, hoy izy. Momba ny fiasan’ny fanjakana sy programany dia nambaran’io depiote io ny herinandro teo nantsoina tany Miarinarivo izy ireo nahitana mpitantana ao anatin’ny 54 kaominina hanomanana ny IEM ka gaga aho, hoy izy. Fa maninona indray no izao vao atao fa angaha tsy efa nokotrehina tany andafy sy naseho tamin’ny propagandy ? Izao vao samy gaga ny rehetra satria nantsoina ny ben’ny tanàna hoe: inona ny avy aty aminareo hanaovana ny IEM kanefa lasa miitatra ohatra ny sima misioka, izay midika tsy fahamatorana, raha ny nambaran’ity depiote ity.
Toky R