Dans la męme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalĂ na iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Resaka loha tapaka sy halatra taova Nisavorovoro i Toamasina

12/08/2019

Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana ao Toamasina, raha ny fampitam-baovaony.

 

 

 

 Roa tamin’ireo mpandoro kodiarana no notanan’ny mpitandro  filaminana raha 10 mahery izy ireo no voasambotra nandritra ny sakoroka izay nitranga teo Morarano, ny zoma teo. Telo kosa ny fiaran’ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany no nahitana fahasimbana, raha ny fampitam-baovao ifarimbonan’ny polisy sy zandary miasa ao Toamasina. Mbola manjavozavo hatreto ny fisian’ilay lohan’olona, tao amin’ilay trano nolazain’ilay mpiasa vavy iray. Nampandre ny mpitandro filaminana mantsy ity farany. Tafaporitsaka tamin’ny manodidina ihany koa ny tsilian-tsofina mahakasika io ahiahina halatra taovan’olombelona io ka izay no nampitroatra ny vahoaka. Efa nafindra toerana ny tompon-trano ho fiarovana ny ainy, ary ahitana mpitandro filaminana eo an-toerana miambina ilay trano.

 

Telefaonina vorodamba

Tsiahivina fa niely ela ny feo na ny « tefefaonina vorodamba » fa voasoketa ho mpaka taova ny tompon-trano. Efa ho 30 taona kosa no nahitan’ny mpandalo ilay soratra eo amin’ity tranona vehivavy ity milaza fa : Mitady mpiasa. Loharanom-baovao hafa anefa milaza fa noho ny fialonan’ny samy mpibizina jirofo sy lavanila no nahatonga ny tsaho. Ny fanadihadiana lalin’ny mpitandro filaminana ihany no hahalalana ny marina.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana