Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina 6 maty, maro no tapaka sy vaky loha

12/08/2019

Fiara mpitatitr’entan’ny orinasa mpanao lalana iray no niharan-doza avy any Antsohihy teo amin’ny 30 km tsy hiditra an’i Bealanana, ny zoma mitataovovonana teo ka nahafatesana olona enina.

 

 Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary any an-toerana, nilaozan’ny hisatra nidim-pidinana ity fiara vaventy ity ka izay no nahatonga ny loza. Nikasa hihazo ny renivohitry ny distrikan’i Bealanana ity fiara izay feno entana sy fitaovana fanamboaran-dalana ity sady nitondra mpiasa 20 mahery ary tra-doza teo Ampandrana. 11 ireo naratra mafy izay tapa-tanana sy tongotra ary vaky loha vokatry ny dona mafy sy ny tsindrin’ireo fitaovan’ny orinasa. Efa nakarina hotsaboina etsy amin’ny HJRA Ampefiloha sy any amin’ny hopitaliben’i Mahajanga ireo naratra. Saika avy eto an-drenivohitra sy avy any amin’ny faritra Boina mantsy ireto mpiasa ireto ka efa nalefa any amin’ny fianakaviany avy any Mahajanga sy eto Antananarivo ireo nindaosin’ny fahafatesana. Ny zandarimariam-pirenena ao Bealanana no nidina ifotony nanatanteraka ny fanadihadiana ary ny mpitsabo any an-toerana no nanao ny fizahana. Marihina fa tsy maty ny mpamily, mbola eo am-panatanterahana ny famotorana ny zandary.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana