Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hanaiky lembenana isika”

12/08/2019

Notanterahina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny fivoriamben’ireo antoko mpanohitra, ka nahatratra 50 eo ireo antoko nandray anjara tamin’io fanombohana io.

 

 

 

 Faly tokoa aho miaraka aminareo rehetra eto mifandinika izay mahasoa ny firenena izay hiombonantsika rehetra tonga eto, hoy i Marc Ravalomanana. Zava-dehibe ny fametrahana ny atao hoe antoko mpanohitra mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka izany. Hatramin’izay mantsy rehefa miresaka fanoherana izany teto Madagasikara dia heverin’ny rehetra fa olona hanongam-panjakana foana. Tsy tokony hitranga eto Madagasikara intsony ny fanonganam-panjakana, hoy izy. Fomba fiasa sy fomba fijery vaovao amin’ny fanoherana ara-politika eto Madagasikara ho arofanina ho an’ny mpitondra amin’izay fanapahan-kevitra raisiny ka mety tsy mahasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no hatao. Tsy hangina isika fa ho sahy hiteny ny tsy fanarahan-dalàna mety hitranga na tetikasa tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka Malagasy. Amin’izao fivoaran’ny teknolojia vaovao izao dia efa lany andro ny fanapenam-bava ny antoko mpanohitra mety ataon’ny mpitondra. Ny fampivondronana ny feontsika rehetra ho iray dia efa marika sahady fa miditra amin’ny vanim-potoana vaovao ny fanoherana ataon’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara, hoy izy. Mikasika ilay lalàna 2011-013, dia ampiharo aloha ny lalàna fa rehefa mahita ny rehetra fa misy tsy mety any aoriana any dia miaraka mifampidinika fa tsy ianareo irery no hanao izay mety aminareo, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa tsy hisy fanoherana, raha tsy ampian’ireo firenena mpiara-dia amintsika, ny firenena mikambana,… ary aza mieritreritra hoe hanao antoko mpanohitra eto isika, raha tsy tohanan’ireo, hoy izy. Tsy hisy mihitsy fitondrana tena mandeha amin’ny fampandrosoana sy mijery ny fiainam-bahoaka raha tsy misy ny mpanohitra fa manao izay danin’ny kibony fotsiny. Ny fananana mpanohitra matanjaka no tena mahatonga ny fitoniana amina firenena iray, toy ny any Etazonia, izay ny Demokraty no mpanohitra amin’izao.

ENCADRE

Tsy tena mitombina tsara ilay zavatra atao, fa ohatra ny entim-po fotsiny. Lehibe loatra ilay hambom-po hoe hanangana izao sy izao, toy ny resaka Tanamasoandro, hoy i Marc Ravalomanana. Mila atao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina hoe sao dia tanimbarin’olona io, sao dia hiteraka tondra-drano io,… Laharam-pahamehana ny resaka fanjarian-tsakafo satria raha ny fihaonany tamin’ny UNICEF, dia tena nilaza ireo fa tena tsy misy hohanina ny olona ka izay no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Tany amin’ny Vondrona Eoropeanina, nilaza izy ireo fa tao anatin’ny herintaona dia tena lasa nitotongana ny Malagasy. Tsy mifantoka amin’ny tena fampandrosoana fa ampifaliana amin’ny zavatra tsy dia tokony handaniana vola, ka izany dia zavatra iray ampianarina ny Malagasy hitandrina fa mandalo fotsiny ny fampifaliana fa ny fahoriana hiverina indray.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana