Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vohitsara Toamasina 300.000 ariary no namonoana azy telo mianaka

09/08/2019

Araka ny finoan’ny tatsinana, tsy raraka an-tany ny ra latsaka. Tra-tehaka ireo olon-dratsy telo ka vehivavy ny iray namono ny fianakavian’i Soa Monica tany Vohitsara Toamasina ny 13 mey teo.

 

 

 

Teratany vahiny ny iray miampy ny vady aman-janany Malagasy. Solosaina, finday ary lelavola mitentina 300.000 ariary no norobain’ireo nahavanon-doza. Nitsoaka nankany ambanivohitra antsoina hoe Masomeloka any  Ambodibonara izay 60 km miala an’i Mahanoro avy hatrany izy ireo rehefa vita ny nataony. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisin’i Toamasina ka tra-tehaka tany amin’io tanàna io ny 2 aogositra teo ny roa (lehilahy sy vehivavy). Ny iray izay fantatra amin’ny anarana hoe Z. kosa tafatsoaka.

Nifanolo-tanana tamin’ireo polisy ny mpiray tanana ka tra-tehaka ny 6 aogositra ity farany. Natolotr’izy ireo ny Borigadin’ny zandarimaria tao Masomeloka, ireto farany kosa no nitondra azy niakatra ny Kaomisaria tao Mahanoro, ary tao no nalain’ny polisin’ny « PJ-Tamatave » . Niaiky ny heloka vitany moa izy ireo, ary tamin’ny maritoa no namonoan’i Z. ilay teratany malagasy sy ilay zazalahy kely izay fito taona monja, ary ilay namany kosa namono ilay teratany vahiny tamin’ny kobay.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana