Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko mpanohitra Hanao fivoriambe rahampitso

09/08/2019

Rahampitso sabotsy 10 aogositra manomboka amin'ny 9 ora sy sasany no hatao ny fivoriam-be voalohan’ny mpanohitra, izay hatao eny amin’ny Hotel Carlton Anosy,

 

 

 hanasana ireo antoko politika rehetra tsy ankanavaka vonona hifanome tanana amin'ny fanarenam-pirenena, hoy ny fampitam-baovao. Midika io fa mivoatra ny toe-draharaha politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary miha mafana ny toe-draharaham-pirenena. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny tahaka izao, fa fiomanana amin’ny paikady politika manoloana ny zava-misy. Manomboka ny alatsinainy 12 aogositra ho avy izao rahateo ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena, ka anisan’ny ho lahadinika ny fikitihana ny sata mifehy ny mpanohitra dia ilay lalàna 2011-013, izay voalaza fa misy ny tolo-kevitra avy amin’ny governemanta ankoatra ny hoentin’ireo depiote. Andrasana izay hiseho etsy amin’ny Hotely Carlton, izay heverina fa hisy ny fifanakalozan-kevitra samihafa. Mety hisy fehin-kevitra na fangatahana avy amin’ireo ankolafin’ny mpanohitra. Ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM hatreto no efa manana ny taratasy ofisialy na ny « récépicé » maha mpanohitra, ary mivoy hatrany fa ny lalàna 2011-013 no nahazoan’izy ireo izay taratasy ara-panjakana izay, ka tsy tokony hokitikitihina ny lalàna efa nankatoavina fa avoaka ny didy fampiharana. Matoa misy ny fivoriam-be tahaka izao dia misokatra ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra ara-politika momba ny fanoherana, ka andrasana izay zavatra hiseho ato ho ato.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana