Dans la męme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hetsi-panoherana ny hosoka sy hala-bato Haparitaka manerana ny Nosy

09/08/2019

Miantso hatrany ny hery velona rehetra eto amin'ny tany sy ny firenena sy ny olom-pirenena tsirairay mba hiara-mientana hamongotra ny mety ho antony rehetra tsy hisian'ny mangarahara amin'ny fifidianana ny Hetsikin'ny Olom-pirenena Miady amin'ny Hosoka sy ny Hala-bato

 

 amin'ny Fifidianana na HOM2HF na MCFIE (Mouvement des Citoyens Contre les Fraudes et Irrégularités Électorales), ary mampanantena fa ho avy tsy ho ela any amin'ny faritra tsirairay araka ny fangatahana maro mba hametrahana ny rantsa-mangaikan’ny hetsika eny ifotony. Tsy ny hanemotra ny datim-fifidianana akory no tanjona raha nangataka ny fanatsarana izahay fa ny hanavaozana sy ny hanitsiana manokana ny lisi-pifidianana isan'ireo tolo-kevitra lehibe nivoaka tamin'ny fivorian-dehibe fakan-kevitra nataonay teto Antananarivo tao amin'iny Hotel Carlton ny 15 lolay sy tany Toamasina ny asabotsy faha 03 aogositra lasa teo tao amin'ny Hotel Calypso, hoy ny MCFIE.  Raha tamin'ny fotoana nanambaranay ho ren-tany an'io tolo-kevitra io no nandray andraikitra avy hatrany ny mpitondra dia azo antoka ny tsy nihemoran'ny datim-pifidianana, hoy izy ireo. Nisaotra ny Filoha anefa ny MCFIE na izany aza tamin'ny valan-dresaka nataon’ity farany ny 06 aogositra teo mahakasika ny fifidianana kaominaly, izay manaporofo fa misy hafatra tafita ihany. Nomarihin’izy ireo anefa fa tany alohan'ny namoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana solombavambahoaka  dia efa afaka nihevitra ny fanitsiana manokana ny lisi-pifidianana  ny mpitondra nanoloana ny fanahian'ny “collectif des candidats” nivory teny amin’ny Live Hotel Andavamamba ny 13 jona.  Nampanahy azy ireo ny fihetsiky ny filoha ny ampitson’ny fifidianana dia ny 28 mey tany Frantsa nilaza sahady fa mpandresy nahazo depiote maherin’ny 80 ary io tokoa ny vokatra havoakany ny CENI sy ny HCC na dia hafa sy tsy mitovy amin'izany  aza ny hitan'ny vahoaka tany amin'ny birao fandatsaham-bato, ka antony lehibe nanaovana tolo-kevitra hanovana ny mpikambana ao amin’ny CENI fa efa tsy itokisan'ny vahoaka intsony, hoy ny MCFIE.  Maniry sy manantena ny MCFIE fa tsy misy tetika na zavatra hafa ny ambadika ny fanemorana fifididianana fa mba hanintsiana ny lesoka.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana