Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fikasana haka an-keriny manampahefana Telo lahy niakatra fampanoavana

08/08/2019

Niakatra fampanoavana omalyalarobia 7 aogositra ireo voasaringotra ho mpaka an-keriny manampahefana any Betroka raha ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny kaompanian’ny zandariamariam-pirenena any an-toerana.

 

 

 

 Raha tsiahivina, ny 2 aogositra teo no tratran’ny fokonolona tao Marozaza, kaominina Tsaraitso ny dahalo telo lahy mpangalatra olona. Teo am-panatonana ny toerana nisy ny sefo fokontanin’i Marozaza ireo jiolahy telo lahy erotrerony no tsikaritry ny fokonolona. Nisoro tamin’ny fisamborana avy hatrany ny mponina sy ny mpiray dinan’i Mangoky ary ny zandary any an-toerana. Nandritra ny famotoran’ny zandary no nahalalana fa efa jiolahy karohina izy ireto ary efa ikoizana amin’ny halatra olona, indrindra ny omby amin’iny faritra Betroka iny.

Manahy ireo mponina amin’ny valifatin’ireto jiolahy ireto, indrindra amin’ny kakay amin’ny lehiben’ny fokontany izay efa nokasainy halaina an-keriny nefa tsy tanteraka. Matetika mantsy raha ny fampitam-baovao avy an-toerana, maro izy ireo no ao anatin’ny tambajotran’olon-dratsy. Tsy sahy mitory ihany koa ny ankamaroan’ny tantsaha noho ny tahotra valifaty sy ny fivezivezena fiakarana sy fidinana fitsarana. Rehefa tsy misy mpitory anefa, araka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena dia afaka maina ireo voapanga na mampidi-doza aza. Mila jerena akaiky ny lalàna sy ny fiarovana ireo mpitory, indrindra ny fizotran’ny fitsarana izay mampikolay ny maro.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana