Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Raharaha Alana Cutland Razana efa potika tanteraka no hitan’ireo mpikaroka

08/08/2019

Tsy misy taolan-kalevina ! Io no fomba fiteny Malagasy mahakasika ilay tovovavy britanika, Alana Cutland nitsanbikina teny ambony fiaramanidina.

 

 

 

Tonga alina teny Ivato ny sisan-taolany raha ny fampitam-baovaon’ny zandary manoloana ny mpanao gazety, omaly tolakandro. Fe ila, taolandamosina, karandoha nahitana singam-bolo kely sisa hitan’ny zandary sy fokonolona  afak’omaly izay nalaina tamin’ny toerana samy hafa, vokatry ny fianjerana avy any amin’ny 1 200 m. Efa vita avokoa ny fanadihadiana rehetra, ny fitiliana ny razana sisa andrasana dia hatolotra ny fitsarana ao Port-Bergé ny raharaha ary avy eo homena ny fianakaviana sy ny ambasady britanika ny antontantaratasy ary ny razana. Tsiahivina fa mpianatra manao fikarohana mikasika ny fozakely ity teratany vahiny ity no niala tao anaty voromby ny 25 jolay maraina teo. Avy any amin’ilay toeram-pizahantany malaza, Anjanjavy amin’iny faritra Boina iny izy sy ny mpizahatany iray ary ny mpanamory raoplanina nikasa hihazo ny renivohitra. Iray andro mialoha io no nifampiresaka tamin’ny ray aman-dreniny izy fa tsy nahomby ny fikarohany ka nankinin’izy ireo tamin’ity mpizahatany anglisy. Nidongy tsy nety nisakafo io mpianatra io ny 24 jolay. Tao anatin’ny alan’i Mahadrodroka, 120 km miala an’i Mahajanga no nilatsahany izay nahitana ny vatany efa niparitaka

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana