Dans la męme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antananarivo Iray andro, loza efatra, nandriaka ny ra

08/08/2019

Antanimena, Ankazomanga, Mandroseza, Anosizato dia samy nahitana lozam-pifamoivoizana nitranga omaly maraina anaty ora telo.

 

Tovolahy iray no maty tsy tra-drano nipotsaka ny atidohany sy mpandeha an-tongotra telo naratra, teny Ankazomanga, voadonan’ny fiara tsy matahodalana . Nitsoaka avy nandona olona teny Antanimena ity farany  nirimorimo izay nitera-doza raha nikasa hiala bisikleta ka nifatratra tamin’ny fiara 306 niantsona amoron-dalana ary nifaoka mpandeha an-togotra. Maty teo no ho eo i Fidy,  tovolahy 25 taona mpianatra Ankatso, voadona mafy ary nipotsaka ny atidohany. Nahatezitra ny olona ity toe-javatra ity, ary saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro ny filaminana nandray an-tanana ny raharaha satria fiara maromaro mihitsy no tonga teny an-toerana. Nitohana rahateo ny fifamoivoizana ka tsy maintsy nalamina sy narindra araka izay azo natao. Efa nanokatra fanadihadiana momba ity loza ity moa ny mpitandro filaminana.

Ankoatra io, nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa teny Mandroseza omaly maraina ihany. Fiara fitateram-bahoaka taksibe zotra 194 no nifandona tamin'ny moto iray. Tsy nisy ny aina nafoy. Torak’izany koa, fiara sy bisikleta no nifandona teny amin’ny lalan’Anosizato ho any Itaosy ka naratra ilay mpitondra kodiaran-droa. Tena miha mirongatra hatrany ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny faritra maro noho tandrevaka, tsy fanajana ny toromarika mifehy ny fifamoivoizana, gaboraraka ... Mila fitandremana sy fifanajana ary fanabeazana sy fanajana lalàna izany.

 

Toky R/ Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana