Taratasy hoan'i jean
Taratasin’i Jean Mankahery hatrany eee !
08/08/2019
Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Mangingina ny aty fa ny any aminao any izao no tsy haiko.
Mankahery anao hatrany aloha amin’ny adidy mavesatra miandry anao eto amin’ny tanàna eee ! Herezo ny dia leiroa aaa ! Ianao moa hoe hitondra fahagagana ary ny fahitanao azy dia tena vasa be daholo ireo teo alohanao rehetra koa ! Zavatra tokony ho vita 5 taona, hoy ianao, tsy mipoitra ihany tao anatin’ny 58 taona. Raha azoko tsara dia tokony ho vitanao tao anatin’izay 6 volana izay ny zavatra tokony ho vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 6 taona e ! Nefa izaho izao mijery fa tsy misy vita ny fampanantenana hatreto. Ny vitan’ny olona tao anatin’ny 1 volana aza ity toa tsy poinsa tao anatin’izay 6 volana izay ! Mankahery hatrany na dia izany aza eee !
Marco