Actualits
Pac “ Pôle Anti-Corruption” Hamoaka dosie mavesatra tsy hoe ela
08/08/2019
Mbola maro ireo antontan-taratasy eo anivon’ny Pac na « Pôle Anti-Corruption” miandry ity vovonana iray miady amin’ny kolikoly ity.
Eo ny antontan-taratasy momba ny fanodikodinam-bola, ny fivarotana ny tanim-panjakana sy ny maro. Araka ny fanazavana nentin’ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny PAC, Atoa Rakotomahefa Mamy Tantely, fa hivoaka tsy ho ela ireo antontan-taratasy mavesatra momba izay fivarotana tanim-panjakana sy ny fanodikodinam-bola amin’ny sehatra samy hafa izay no havoakan’izy ireo tsy ho ela. Raha ny fanazavany koa, dia mbola naverina natao fanadihadiana koa ireo depiote izay voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly. Mikasika ny raharaha Mbola Rajaonah indray, dia nilaza ity Tonia Mpampanoa lalàna miady amin’ny kolikoly ity, fa mbola misy raharaha hafa anenjehana an’ity mpandraharaha ity, matoa izy naverina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, hoy izy, toy ny famotsiam-bola, fandikan-dalàna teny amin’ny fandin-tseranana. Andrasana noho izany ny hivoahan’ireo dosie mavesatra voalaza etsy ambony ireo. Marihana, fa misy ambadika politika ny fanagadrana an’ity mpandraharaha ity, ka mitaky ny hamoahana azy ny fikambanana Tafaray.
Sitraka r.