Dans la mme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Aro lozan’ny fifamoivoizana Hitohy ny fisavana tampoka fiara sy môtô

06/08/2019

« Tsy azo lazaina ny daty sy ny toerana fa anaty paik’ady ny fisavana tsy ampoizina fiara sy môtô», hoy ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana.

 

 

 Fanentanana fifanabeazana fa tsy fanasaziana hatreto no nataon’izy ireo, raha ny fampitam-panazavan’ny polisy eo Tsaralalana. Nandritra ny ora efatra fotsiny teo amin’ny lalam-baovaon’ny faritra 67ha, ny alarobia teo dia nahatratra tsy mpanara-dalana 400 mahery izy ireo. Ny 5 tamin’ireo no tsy nanana fahazoan-dalana hamily. Ny 93 kosa dia lany ny fe-potoanan’ny fiantohana ary ny 306 dia mpitondra môtô tsy nanana aroloha. “Noho ny maha fanentanana sy fanabeazana iadiana amin’ny lozam-pifamoivoizana, nasaina naka “casque” ireo tsy nitondra izany. Ny tsy nanana saram-piantohana kosa nanefa ny azy ka rehefa vita dia samy naka ny fitaovam-pitaterany teo avy izy ireo, hoy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana eo Tsaralalana.

Kolikoly

Miezaka ny mpitandro filaminana mampanara-dalàna ny olom-pirenena, fa ny olana matetika dia ny kolikoly avo lenta eo anivon’ny saram-piantohana raha misy tokoa ny loza. Matetika very anatin’ny kipitsopitson’ny fitoriana ny zotram-pitakiana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana