Finoana
Papa Ray Masina Ny zoma 6 septambra no ho tonga eto Madagasikara
06/08/2019
Araka ny fampitam-baovaon’ny solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara sy ireo Eveka ary pretra sy laika mpanomana ny fahatongavan’ny Papa Ray François omaly teny amin’ny Nonciature Ivandry,
ny zoma 6 septambra amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no higadona eny Ivato ny Papa Ray Masina. Hihazo ny Nonciature Ivandry avy hatrany izy aorian’ny fandraisana.
Ny marainan’ny sabotsy 7 Septambra izy no hihaona amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo Masoivoho eto Madagasikara. Hiara-kivavaka amin’ireo relijiozy mihiboka izy aorian’izay eny amin’ny karmelita Ampasanimalo. Arahin’ny dinika manokana eny Andohalo amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara sy handraisany ny filohan’ny FFKM. Hitohy amin’ny fitsidihiny ny taolambalon’ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo eo Andohalo ihany. Hifarana amin’ny fifampizarana hafatra sy vavaka amin’ny tanora tanora eny eny Soamandrakizay amin’io sabotsy alina io.
Lamesa Soamandrakizay sy asa soa Akamasoa
Aorian’ny fitetezana ireo mpivavaka amin’ny fiara, hitarika ny Sorona Masina eny Soamandrakizay ny Papa Ray Masina ny alahady 8 Septambra amin’ny 10 ora maraina izay fiakaramben’ny kristianina sy ny olom-pirenena tsara sitrapo 800 000 mahery. Aorian’ny Sakafo atoandro dia hitsidika ny Akamasoa Andralanitra izay karakarain’i Mopera Pedro, iray fiaviana aminy samy avy any Argentine ny Papa. Hiakatra eny amin’ny kariera fakana vato eny Mahatazana ny Papa ka hihaona amin’ireo mpikapo-bato ary handray ireo solontenan’ny Fivavahana Silamo eto Madagasikara.
Aorian’izay hizotra hihazo ny kolejy Masina Misely Amparibe ny Ray Masina ka hihaona amin’ireo mpitondra fivavahana katolika sy mpiomana ary ireo pretran’ny Zezoita izay iray fikambanana aminy. Hihazo an’ny Nosy Maorisy izy ny alatsinainy ary hipody eto Madagasikara ihany ny alina an’io. Ny talata maraina no hanainga eny Ivato ny Papa hihazo an’ny Roma.
Haja Nirina