Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Madagasikara Hiroso amin’ny Repoblika faha-5 ?

05/08/2019

Ny lalàmpanorenana, mandritra ity Repoblika faha-IV ity lany tamin`ny volana novambra 2010, no tena mampifanolana indrindra raha tamin`ny tantaran`i Madagasikara.

 

 

 

 Miteraka adihevitra tokoa mantsy indrindra eo amin`ireo mpisehatra politika raha tokony hovaina na tsia ny lalàmpanorenana. Anisan`ireo miteraka adihevitra ny and. faha-54 mikasika  ny fanendrena ny praiminisitra miainga avy amin`ny maro an`isa eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Eo ihany koa, ny fanovana ny andininy mikasika ny Fitsarana ambony (Haute cour de justice) izay lazain`ireo firaisamonim-pirenena fa lasa fialokalofan`ireo tsy matimanota. Niteraka resabe ihany koa nandritra ny fitondran`ny filoha Rajaonarimampianina ny and. 46, izay mitaky ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena am-perinasa izay mirotsaka hofidiana ary nisy mihitsy ny fikasana hikitika lalàmpanorenana ny taona 2017. Na ny filohan`ny Repoblika, Andry Rajoelina, vantany vao voafidy filoha ny taona 2019 dia nihazakazaka nampiantso fitsapan-kevi-bahoaka hanovana lalàmpanorenana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 19 aprily lasa teo ary saika nampiharana tamin`ny fifidianana solombavambahoaka saingy notsipahan`ny HCC noho ny tsy mahafeno fepetra takiana araka ny voalazan`ny and. faha 161 ao anaty lalàmpanorenana. Araka ny loharanom-baovao voaray, efa an-dalana ny famolavolana izany “referendum” izany ka antony iray tsy nandraisana didim-panjakana niantsoana ny mpifidy amin`ny fifidianana monisipaly. Mitohy ny adihevitra ary tsy azo ihodivirana ny fikitihana ity lalàmpanorenana ity noho izy mampifanolana eto amin`ny firenena. Sao tokony hiditra amin`ny Repoblika faha-V kosa satria tsy misy mankato na ireo olona nandrafitra azy. "Tsy laharam-pahamehana ho ahy ny fanovana Lalàmpanorenana ", hoy ny kandidà Andry Rajoelina nandritra ny fihaonany tamin'ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM) tamin'ny 3 desambra 2018 kanefa vao am-bolana nitondrany dia ny hanao fitsapan-kevi-bahoaka no nahamay azy. Marihina kosa fa tsy tokony hirotorotoana ny fanovana izany ary teboka maro no ilaina amin`ny fanitsiana. Ilaina ny firesahana amin`ny lafin-kery misy eto amin`ny firenena satria mila fandinihana lalina sy fanomanana tsara raha hiditra amin`izay lalana izay sao misy adino.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana