Dans la mme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fandrahonana sy fanararaotana Nidoboka am-ponja ilay lehilahy tsy mpandoa volan’ny mpivarotena

01/08/2019

Lehilahy iray mpanimba ny entan’ny mpivarotena sy mpividy ireny mpampanofa tena maro ireny nefa tsy mpandoa vola no nidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny fisamborana azy.

 

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, arahin’ity tovolahy ity fandrahonana amin’ny zava-maranitra ny fanatanterahana ny asa ratsiny. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nohenjehina olona maromaro teny amin’ny faritra Andohatapenaka io lehilahy io. Raha nahita izany ny polisy dia voatery nandray andraikitra nisambotra ity enjehin’ny mponina ity. Nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-7 eo 67 Ha izy hanaovana fanadihadiana, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

Mpampanofa tena 4 niara-nitaraina

Tamin’io maraina io ihany dia vehivavy mpivarotena miisa efatra no tonga nametraka fitarainana mahakasika io lehilahy io noho izy tsy mety mandoa vola sady mandrahona amin’ny antsy, no mbola vakiany ny tranon’izy ireo ary alainy izay tiany ao. Fantatra ihany koa fa efa nifonja teny Tsiafahy ity lehilahy ity noho ny antony fitanana fitaovam-piadiana sy fikambanan-jiolahy. Niaiky ny fiampangana azy izy nandritra ny famotoran’ny polisim-pirenena ary fantatra fa nidoboka am-ponja eny Antanimora taorian’ny fandalovany teo anivon’ny fampanoavana omaly.

Haja Nirina

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana