Dans la męme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifampitifirana tany Befandriana Avotra soamantsara ilay zandary voatifitra

31/07/2019

Efa niatrika fandidiana ilay zandary naratra tany Befandriana vantany vao tonga teto Antananarivo,

 

 

 

ka avotra soamantsara ny ainy. Raha tsiahivina, noho ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra ny alin’ny alatsinainy 29 Jolay lasa teo tamin’ny 2 ora maraina dia naratra voatifitr’ireo jiolahy ny komandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria. Befandriana Avaratra raha namonjy ireo olona voatafika. Nakarina avy hatrany taty Antananarivo izy ary nanaraka fitsaboana tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, ka ny angidimby avy amin’ny fitondram-panjakana no nampiakarana azy teto noho ny halaviran-dalana sy ho vonjy aina. Tonga nitsidika azy ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, notarihan’ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiarovam-pirenena na SEG sy ireo mpiara-miasa aminy.

Samy nahazo roa tapitrisa ariary

Nandritra izany no nanolorana an’ity maherifo ity ny taratasy fankasitrahana sy lelavola mitentina 2 tapitrisa ariary avy amin’ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana sy ny komandin’ny zandarimaria ho mariky ny herim-po nananany. Marihina fa notolorana toy izany ihany koa ilay zandary niaraka taminy na dia tsy naratra aza mba ho fampirisihina azy tamin’ny ezaka nataony. Nanambara ireto tompon’andraikitra ambony ireto fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny olony miady amin’ireo mpanao ratsy sy hiarovana ny vahoaka sy ny fananany manerana ny Nosy koa rariny raha hankasitrahana izy ireo.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana