Dans la mme rubrique

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

26/05/2020

Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

26/05/2020

Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

Hamaky ny tohiny...

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

26/05/2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Mamy Rabenirina “Miandry ny famoahana ny lalàna mifehy ny fanoherana izahay”

31/07/2019

Mbola any ankibon’ny omby ! Rahoviana vao ho teraka ihany ity fanomezan-dalana mifehy ny mpanohitra ity.

 

 

 

 Andrasana noho izany ny hamoahan’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izany ary ny antoko TIM dia efa miandry izany, raha ny vaovao voaray. Nambaran’ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina avy amin’ny antoko TIM fa  efa nametraka ny toerany amin’ny maha mpanohitra azy ny antoko ary efa nametraka ny antontan-taratasy ara-dalàna. Ny eo  anivon’ny fitondrana anefa tsy mbola namoaka ny lalàna mifehy ny fonoherana ka samy miandry avokoa ireo milaza azy ho antoko mpanohitra amin’izao. Nambaran’ity depiote ity fa miandry ny fampiharana io lalàna io izy ireo amin’izao. Ankoatra izay dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa rariny sy hitsiny raha toa ka azon’ny antoko TIM ny toeran’ny kestiora fahatelo eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Rehefa nahazo io toerana io aloha dia ampy izay, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Sitraka r.   

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana