Dans la mme rubrique

Tompon’andraikitry ny HJRA Ampefiloha Tsy nisy olona velona nalefa tany amin’ny “Morgue” izany

14/02/2020

Nanome ny heviny ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha fa tsy nisy an’izany olona mbola velona ka nalefa tany amin’ny tranom-paty, araka ny vaovao niely izany mihitsy.

Tompon’andraikitry ny HJRA Ampefiloha Tsy nisy olona velona nalefa tany amin’ny “Morgue” izany

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana teny Itaosy Ireo mpiasa ihany no nandromba ilay “Cash Point”

14/02/2020

Notanana am-ponja vonjimaika ireo mpiasa 3 voarohirohy ho nanafika ihany ilay “cash point” teny Itaosy Cité ny alatsinainy 10 febroary lasa teo. Tsy fantatra sy tsy voazava hatreto ny fomba nahafahan’izy ireo nitsoaka.

Fanafihana teny Itaosy Ireo mpiasa ihany no nandromba ilay “Cash Point”

Hamaky ny tohiny...

Sambo goavam-be tao Nosy be Norarana tsy hidina ireo mpaneha sao misy voan’ny Coronavirus

14/02/2020

Norarana tsy nahazo nidina hitsidika an'i Nosy be sy hiditra ny Nosy ny mpandeha tamin’ny sambo paquebot Sun princess, izay nitondra mpizahatany maro.

Sambo goavam-be tao Nosy be Norarana tsy hidina ireo mpaneha sao misy voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Vono olona mahatsiravina Notsatotsatohana antsy ilay ramatoa bevohoka

14/02/2020

Nisehoana tranga nampalahelo teny Anosibe akaikin’ny Paharmacie Volahanta ny alarobia alina. Zazavavy 12 taona no nitsoaka ka nampandre ny raibeny sy renibeny teny Anosipatrana, andro amin’ny 10ora alina mahery.

Vono olona mahatsiravina Notsatotsatohana antsy ilay ramatoa bevohoka

Hamaky ny tohiny...

Toetrandro Faritra maro no hanoram-baratra amin’ny faran’ny herinandro

14/02/2020

Tany amin’ny 170 km Atsinanan’i Toamasina no misy ny ivon’ilay sisan-drahona navelan’ny rivodoza Francisco omaly alakamisy tamin’ny 01 ora folakandro.

Toetrandro Faritra maro no hanoram-baratra amin’ny faran’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Kaompania Air Madagasikara Maro ny hetra alaina aminy

14/02/2020

Manoloana ny fitarainan’ireo mpanjifa ny zotra ana habakabaka Air Madagascar izay lafo loatra mitaha amin’ireo kaompania hafa dia nanamafy ny filohan’ny filankevi-pitantanana ity kaompania Malagasy ity,

Kaompania Air Madagasikara Maro ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna Orinasa sinoa tratry ny fitsaram-bahoaka

13/02/2020

Niharan’ny hatezeram-bahoaka ny fitrandrahana volamena voalaza fa tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ambalatany kaominina Andranomavo distrika Mananjary.

Fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna Orinasa sinoa tratry ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiara hanenjehana dahalo Tsy tonga any amin’ny tena mila azy akory ?

30/07/2019

Namparomotra ny dahalo ny fampirantiana ireo fiara tsy mataho-dalana nefa tsy tonga any ifotony ihany hatramin’izao raha ny fandiniky ny mpitandro filaminana sasany.

 

 Tsy tonga any amin’ny tena mila azy ny fiara vaovaon’izy ireo, raha ny fitarainan’ireo miasa any amin’ny tany lavitra andriana sy faritra mena. Ekena, hoy hatrany ireo namatsy vaovao, fa mbola eo am-pandaminana ny tompon’andraikitra, kanefa iray volana aty aorian’ny fetim-pirenena izay nampisehoana ireo fiara teny Mahamasina mbola vitsy no nahazo izany fa tsy araka ilay isa navoaka tamin’ny haino aman-jery.

Samy niezaka efa nizara izany fiara avy amin’ny fitondram-panjakana izany anefa ny manampahefana ambony tahaka ny teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny Tafika Malagasy fa mety misy  ihany koa ireo tsy mahandry lahatra. Raha ny fampitam-baovaon’itsy farany izao dia natolotry ny Jeneraly Richard Rakotonirina, minisitry ny fiarovam-pirenena ho an’ny Tafika Malagasy omaly alatsinainy 29 jolay 2019 tamin’ny fomba ofisialy ireo fiara tsy mataho-dalana.  Nomarihin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena hatrany fa ireto fiara ireto dia hiparitaka amin’ireo toerana saro-dalana misy ny ZRPS manerana ny Nosy ary koa hapetraka amin’ireo faritany miaramila samy hafa hanaovana fisafoana.

Haja Nirina

 

 



 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana