Dans la męme rubrique

Politika fampivoarana ny vehivavy Tsy hita ao anatin`ny PGE

19/08/2019

Niavaka tokoa ny fanolorana ny programanasa ankapoben`ny fanjakana (PGE) nataon`ny praiminisitra Ntsay Christian ary nahabe fanantenana.

Politika fampivoarana ny vehivavy Tsy hita ao anatin`ny PGE

Hamaky ny tohiny...

Savony avy any ivelany Hiakatra 34% ny hetra alaina aminy

19/08/2019

Hiakatra 34% ny hetra alaina amin’ny fampidirana savony eto Madagasikara manomboka ny 01 septambra izao.

Savony avy any ivelany Hiakatra 34% ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...

Olana amin`ny sehatry ny rano Manakorontana ny toekarena

16/08/2019

Tena ilain`ny olombelona amin`ny sehatra rehetra ny rano. Tsy azo tsinontsinoavina ny rano na odiana tsy hita ireo olana mahakasika izany toy izay nitranga teny Andraisora, Ankatso…

Olana amin`ny sehatry ny rano Manakorontana ny toekarena

Hamaky ny tohiny...

Mpandraharaha mitahiry voamboana na “Palissandre” Asain’ny minisitera manao tombana

16/08/2019

Voavoly ny velaran-tany 40.000 ha. Tsy nisy na bolabola 1 aza naondrana. Toy izany koa ny tsy fisiana trafikana hazo sarobidy. 245 isa ireo sokatra hiverina etsy Ivato anio (TTF: omaly) rehefa tra-tehaka tao Kaomoro.

Mpandraharaha mitahiry voamboana na “Palissandre” Asain’ny minisitera manao tombana

Hamaky ny tohiny...

Fambolena sy fiompiana eto Madagasikara Olana ny lalam-barotra

14/08/2019

Nampahafantarina omaly talata 13 aogositra tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny fisian’ny foara lehiben’ny fambolena sy fiompiana andiany fahatelo (FIA).

Fambolena sy fiompiana eto Madagasikara Olana ny lalam-barotra

Hamaky ny tohiny...

Lalàn’ny fandraharahana Tombony ho an’ny Malagasy

14/08/2019

Miambakavaka ary misavoritaka tanteraka ny mpandraharaha Malagasy noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolony eto Madagasikara araka ny nambaran’ny mpandraharaha sady depioten’i Faratsiho, Rasolonjatovo Honoré.

Lalàn’ny fandraharahana Tombony ho an’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra Sahirana amin’ny famoaham-bokatra

14/08/2019

Manatsara ny toekarem-pirenena ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana any amin’ny faritra. Ho an'ny faritra Vakinankaratra manokana, efa manomboka hita taratra ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha na dia maro aza ireo sakana.

Faritra Vakinankaratra Sahirana amin’ny famoaham-bokatra

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Famoronana tetikasa sy fandraharahana Tanora miisa 6 notolorana 500 Euros avy

30/07/2019

Sakana ho an'ny tanora Malagasy miditra amin'ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny tsy fahampian'ny enti-manana hanatanterahana tetikasa. Hany ka mivoaka sempotra tanteraka izay mba te hanangana ny orinasany manokana.

 

 Manankarena  manampahaizana  tanora anefa ny firenena  ary maro amin’izy ireny no mahavita mamorona tetikasa izay miteraka asa ho an'ny mpiarabelona avy hatrany. Anton’ny nisian’ny fifaninanana nokarakarain’ny minisitera sy ny fikambanana SAINA hanampiana tosika ireo tanora hikaroka sy hivelatra amin'ny fandraharahana ataony mba hahaleotena.Tanora 30 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana ary vola mitentina 2 tapitrisa Ar (500 euros) sy fanampiana amin'ny fanantaterahana ilay tetikasa no azon'ireo mpandresy miisa 6 avy amin’ ny faritany 6. Mba nialana tamin’ny fitongilanana dia natao mangarahara ny fitsarana. Tsy dia nahafa-po loatra ny mpitsara sasany mantsy ny tetikasa telo, ka nanaovana “délibération”, ka dia nekena ihany tamin’ny ora farany fa hotolorana ilay 500Euros, ka izay no nahatonga ho 3 ireo nandray ny loka, fa hisitraka izany ihany koa ireo 3 hafa hanampy an-dRandriamahenintsoa Tojonirina avy eto Antananarivo, Andrianina Manantsoa avy any Toliara, Nomenjanahary Joseph Judicael avy any Toamasina. Fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany no nahafahana manampy ireo tanora, ka anisan’izany ny Kaonsila Jeneralin’i Madagasikara any La Réunion. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fiadidiana ny Repoblika, ary efa mandeha ny dingana isan-tsokajiny ka hirariana ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Fihariana, hoy ny Association Saina izay manamora sy mitady lalana ho an’ny tanora.Natao omaly teny Fort Voyron ny fanomezana ireo loka ireo.

Tsirinasolo sy Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana