Dans la mme rubrique

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

23/08/2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

Hamaky ny tohiny...

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

23/08/2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Olan’ny fananan-tany Taratasy hosoka matetika no fositra

25/07/2019

Voafitaky ny antontan-taratasy tsy izy ny mpiasan’ny fananan-tany, hoy ny fanazavan’Atoa Tsilavina Safidy Herizo, “inspecteur de domaine”.

 

 Olona samy hafa, nefa samy mpandova ary taratasy iray ihany, ny  “acte de  notorité” no misy fahadisoany amin’izany, hoy ny nambarany.

                                               

 Hanoratra tany

Raha hanoratra tany indray, tsy maintsy mila  “certificate de situation juridique”, io no fototra hiangaina amin’ny fanaovana ny antontan-taratasy rehetra. Tsy maintsy misoratra ao anatin’ny bokin-tany ny anaran’ny tompon-tany. Raha rovitra ny boky misy ny anarana, dia manana ny kadasitra ny tompony ary hamoahan’ny fananan-tany “juridique” iny, vao afaka manao “mutation” ny tany, raha ilain’ny tompon-tany izany. Raha tany tsy nohajariana indray, nefa nangatahina, dia tsy maintsy hita maso ary hita fototra ny nanajariana ny tany ary jeren’ny mpiasan’ny fananan-tany koa  ny momba azy. Tsy maintsy feno kosa ny antontan-taratasy izay vao  afaka manao “décente” any an-toerana ny mpiasan’ny fananan-tany.

                                                 

Mpandova

“Raha mpandova, dia misoratra amin’iza aloha ny tany ?”, hoy ny fanontaniana. Ilaina ny andinidininy sy ny antontan-taratasy amin’izany, toy ny  “certificate situation juridique”, “acte de décès”, “acte de notorité”, « acte de partage » ary  kadasitra, dia ampidirina eny amin’ny biraon’ny fananan-tany avy eo. Maka « plan » telo sy « autorisation morcellement » any amin’ny biraon’ny fananjariana ny tany koa, dia any amin’ny  « enregistrement d’impot » no farany anaterana ny taratasy. Feno tanteraka ny antontan-taratasy rehetra izay vao alefa any amin’ny biraon’ny fananan-tany, raha ny fanazavany.

Raha tany any amin’ny faritra no misy olana, dia faritana tsara hoe, misy titra, kadasitra “titre à foncier” na Bif na Birao Ifotony ny Fananan-tany na tanim-panjakana ilay izy. Atao ny “transfert à l’Etat” na famindrana azy any amin’ny fanjakana. Nefa raha nisy olona nanajary ny tany an-taonany maro, dia azon’io olona io atao ny mangataka ilay tany ho azy na “perception actitive” no ilazana azy.  Raha hividy tany indray, dia mankany amin’ny biraon’ny fananjariana ny tany, dia maka sary ilay tany sy ny “certificat juridique”.

 

 

 

 

 

 

 Rangahy nanana olana

Ho an’Atoa Richard manokana mpiasan’ny Topo taloha, dia nanana olana izy. Ny anaran’ny ray aman-dreniny voasoratra tao anatin’ny “acte de notorité” sy “acte de décès” tsy nisy diso na litera iray aza, nefa nasaina nafindra tamin’ny anarany ny fananana, dia  narirariran’ny mpiasan’ny fananan-tany izy, hoy ny nambarany. Teto Antananarivo Ville io olana voalohany io. Tany Antananarivo Atsimodrano  ny faharoa, ny taona 1965, dia nivoaka indray ny didim-pananana sy ny fananganana, tsy nisy diso koa ny anaran’ny ray aman-dreniny. Ny “notaire” anefa efa nanamarina  ny anarana sy ny sonia tamin’ny antontan-taratasy rehetra, nefa nolavin’ny tao amin’ny fananan-tany ary nalefan’izy ireo teny amin’ny fitsarana indray ilay rangahy.  Roa taona no nambarany fa nampidirany ny dosieny fa tsy mbola nivaly ny fangatahany hatramin’izao ary navezivezy teny amin’ny fananan-tany foana izy, ka naneho ny alahelony sy ny fitarainany. Mpiasan’ny Topo taloha izaho no tratran’izao olana izao, hoy izy namarana ny fangatahiny. 

 

Sitraka r.            

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana