Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hery Rakotomanana - CENI “Fanavaozana lisitra mira fanemorana datim-pifidianana”

25/07/2019

“Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana”, hoy i Hery Rakotomanana, filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

 

 

Raha tsiahivina, anisan’ny niteraka resa-be hatrany tamin’ny fiatrehana fifidianana nifanesy  ny olana lisi-pifidianana nampiasaina. Ny tsy fitoviana ny firaketana teo anivon’ny CENI sy teny amin’ny fokontany no niteraka fimenomenomana teo amin’ny ankamaroan’ny mpifidy. Sarotra no hiroso amin’ny fanavaozana  io lisitra io ary hisy akony amin’ny tetiandro manaraka hiatrehana fifidianana. Raha tazomina ho 28 oktobra ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna dia tsy ho vita ny fanavaozana lisi-pifidianana. Ny CENI kosa amin’izao fotoana dia manao ezaka fanatsarana ny lisitra mba hamahana ny savorovoro amin’ny hoe tsy hitan’ny olona ny toerana andehanany hifidy raha tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Izany no tranga nisy teo, hoy izy. Amin’izao, hisy ezaka hamantarana ny olona tokony ho tonga raha mandeha ny kaominaly. Nohamafisiny fa raha hanao fanavaozana ny lisi-pifidianana dia mitaky fanemorana ny fifidianana izany. Mahakasika ny tetibola ampiasaina amin’ny fifidianana kaominaly dia mbola hifanatonana amin’ny minisiteran’ny vola ny CENI raha raisin’ny fanjakana ilay didim-panjakana miantso ny olom-pirenena hifidy. Amin’io fotoana io no ahafahana mamaritra ny vola holaniana, indrindra ny fangaraharahana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana