Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Manoro Régis “Tena namela mamy ho an’ny firenena ny Pr Zafy”

25/07/2019

Nanazava fohy ny lalana nizoran’ny profesora Zafy Albert, ny profesora Manoro Regis izay mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy Albert sady sekretera jeneralin’ny antoko Undd.

 

 

 

Nambarany, fa nahavita zavatra maro teto amin’ny firenena ny raiamandreny Zafy Albert ary izany no nametrahana azy ho Rain’ny demokrasia sy fampihavanam-pirenena. Sekoly maro no nodiaviny ka tao amin’ny “Ecole Regionale” Analalava izy no nanovo fianarana voalohany. Avy eo niakatra teny Ankatso ka ny taranja Matematika sy Fizika no nataony teny. Lasa dokotera ny profesora Zafy Albert, ka niasa tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nanohy ny fianarany tany ampita izy, ka nahavita ny “Aggregation en chirurgie” ka niasa tao amin’ny hopitaly HJRA sy Befelatanana taorian’izay. Ny taona 1991, dia nisy ny hetsi-bahoaka teto amin’ny firenena, ka anisan’ny  lohandohan’ny mpitarika ny tolona ny profesora Albert Zafy. Teo antenantenan’izay, dia lasa filohan’ny tetezamita izy na HAE na “Haute Autorité de l’Etat”. Ny taona 1992 no voafidy ho filohan’ny Repoblika ary nahazo ny salan’isa 66%  ny profesora Zafy Albert ary nitsahatra teo amin’ny fitondrany izy ny taona 1996, rehefa tratry ny « émpechement ».  Niala mora teo amin’izany toerana izany ny profesora ary tsy nanakorontana, hoy hatrany i Manoro Regis.  Lany ho solombavambahoaka izy taorian’io fialany io.

 

Fampihavanana

Ny taona 2001 – 2002 dia nitory ny atao hoe « Fampihavanam-pirenena » izy ary nimasoany ny hanatanterahana azy io hatramin’ny farany, noho ny resaka politika tsy nitovizan-kevitra teto, natsangana ny komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN) saingy, tsy tontosa izany hatramin’izao. Izay no nametrahana azy ho Rain’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fivoriana teto an-toerana sy tany ivelany nikaroham-bahaolana politika noho ny krizy 2009 izy. Taty aoriana, tsikaritra fa nifanakaiky kokoa ny Pr Zafy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na dia mpifahavalo politika aza tany aloha.

Ny marina

Anisan’ireo sahy nijoro nanao ampamoaka ka namoaka dosie momba ny trafikana boaderozy misy eto Madagasikara ny Profesora Zafy Albert ary tena nahitsy fitenenana. Marihana fa teto Antananarivo no niasa sy nianatra ny profesora Zafy Albert, ka rariny sy hitsiny raha notokanana ho azy izany lalana eny Ivandry izany, hoy i Manoro Regis.

 

 

 

Sitraka r.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana