Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

FANARAHAN-DIA DAHALO NAMPIDI-DOZA Roa maty voatifitra, 3 naratra mafy tany Kiranomena Fenoarivobe

22/07/2019

2 maty, telo naratra, basy iray sy omby efatra lasan’ny dahalo. Io no vokatry fanafihan-dahalo ny 14 jolay teo tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro.

 

Biby fiompin’ny fianakaviana iray mipetraka ao Belambo, fokontany Anosibe, kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe. Dahalo raindahiny dimy lahy mirongo fitaovam-piadiana vita gasy telo sy zavamaranitra no nanafika teo an-tanàna. Noho ny hery tsy mitovy, nanjakazaka ireo malaso fa tsy sahy niatrika izany ireo fokonolona izay tanam-polo. Nianatsimo nihazo ny vahalavan’i Famoizankova ireo jiolahy.

Rehefa tafavory maro ireo mponina teny amin’ny manodidina dia nanaradia ireo dahalo ihany ny fokonolona. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ny 5 ora hariva teo Farahitanibe, izay mbola ao amin’ny Fokontanin’Anosibe hatrany. Dimy tamin’ireo mpanara-dia no voan’ny tifitra varirarak’ireo olon-dratsy. Ny roa tamin’izy ireo izay raim-pianakaviana 58 taona sy tovolahy vao erotrerony 25 taona no maty tsy tra-drano.  Tovolahy telo izay 23 sy 31 ary 35 taona kosa naratra mafy ary nentina namonjy ny toeram-pitsaboana.

Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny basy tamin’ireo fokonolona marika Baikal NR 08047509. Zandary enina avy ao amin’ny tobim-paritra Kiranomena sy ny vondron-tobim-pileovana Bongolava no nanatevina ny fanarahan-dia. Efa nampandrenesina ihany koa ireo mpitandro filaminana manodidina hifehy ny kizo.

Haja Nirina

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana