Dans la męme rubrique

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

21/02/2020

Nanao fanambarana sy antso tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly ny eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara na PASEM fa

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

Hamaky ny tohiny...

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

21/02/2020

Lehilahy iray, 37 taona no voasambotry ny polisy teny Ankadifotsy omaly alakamisy noho ny resaka fanolanana.

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

Hamaky ny tohiny...

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

21/02/2020

Nahafa-po ny valin'ny tomban'ezaka vita tamin'ny hetsika natao ho fiarovana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-44 ao anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro nandritra ny faran'ny taona 2019

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

Hamaky ny tohiny...

FAMPIANARANA Niampy 400 indray ireo tanora manampahaizana

21/02/2020

Tsy lany olomanga i Madagasikara. Tanora mpianatra miisa 400 indray no navoaka tamim-pomba ofisialy omaly rehefa nahavita ny soutenance de memoire sy ny fianaran’asa teny anivon’ny orinasa.

FAMPIANARANA Niampy 400 indray ireo tanora manampahaizana

Hamaky ny tohiny...

Hain-tany mahatsiravina Mitsipatsipaka ny omby any Androy

20/02/2020

Efa notaterina teto omaly, fa vidiana 100Ar ny iray zinga amin’ny rano any Androy raha misy ary 2.000Ar ny iray zerikanina 20litatra.

Hain-tany mahatsiravina Mitsipatsipaka ny omby any Androy

Hamaky ny tohiny...

67 Ha Tratra ilay mpangarom-paosy 16 taona

20/02/2020

Tovolahy iray, 16 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 67ha afak’omaly talata tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro raha mbola teo am-pangaronam-paosy teny amin’iny faritra 67ha iny.

67 Ha Tratra ilay mpangarom-paosy 16 taona

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Zandary teo aloha nitarika fikomiana sy naka takalon’aina mpiandry fonja, noho ny fahatrarana varotra sy fidorohana zavamahadomelina tao anatin’ny fonjan’i Toamasina.  Voafonja fitolahy no nanao kidnapping mpiandry fonja ka voatery nanapoaka basy nanatanteraka tifi-danitra ny mpiambina, nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany ka hatramin’ny 10 ora latsaka ny sabotsy maraina teo.

Nahatrarana rongony mantsy tao Ambalatavoahangy, ny zoma hariva ka nitohy mandra-paharain’ny andro ny disadisa. Voalaza fa nisy nanipy avy any ivelan’ny tamboho izy io. Nilaza fa voadaroky ny mpiandry fonja ilay tra-tehaka tamin’ny aferan-drongony ka niray tsikombakomba hamaly faty miaraka aminy ireo enina namany. Mpandraharahan’ny fonja telo lahy nanatanteraka ny asa marainany namoha varavarana no nalain’izy ireo an-keriny. Zandary iray efa tsy am-perinasa no anisan’ny nitarika ny teti-dratsin’ireo voafonja ireo. Tanjon’ireo voafonja rehetra anefa ny hanao izany fitaovana hahafahany mitsoaka ao an-tranomaizina.

Tsikombakomba

Tamin’izay indrindra no raikitra ny savorovoro, voatery nanao tifi-danitra ireo mpiambina fa ireo gadra rehetra izay romotra nandritra izany kosa nidaroka ireo takalon’aina sy nitora-bato avy ao anatiny. Velom-pintarainana ireo mpandraharahan’ny fonja amin’izao faha-60 taonany izao noho ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa sy ny havitsiny.  Mitaraina koa ireo olom-pirenena noho ny kolikoly sy ny firaisana tsikombakomba amin’ireo gadra matoa tafiditra ny zava-mahadomelina toy izao.

Haja Nirina

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana