Dans la mme rubrique

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

22/09/2020

Tontosa omaly 21 septambra teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanihanan'ny Filoha lefitry Vaovaon'ny CENI Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse.

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

Hamaky ny tohiny...

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

22/09/2020

Nalaina hiresaka sy tsy namaly ny mpanao gazety ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly momba ny raharaham-pifidianana loholona sy momba ireo fitoriana tafapetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy.

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

22/09/2020

Nisokatra omaly tetsy Ampefiloha ny andiany faha 30 amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy. Isan’ny votoatin-dresaka tao

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

22/09/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

Hamaky ny tohiny...

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

22/09/2020

Mifanenjana amin’ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny mpitondra sy ny mpanohitra. Miha mifoha ireo toe-javatra maneho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana Rajoelina.

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

22/09/2020

Ny fanombohana ny fanovana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RCR na famondronana ny olompirenena tomponandraikitra, tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison,

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

Hamaky ny tohiny...

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

22/09/2020

Niainga tany amin’ilay fandaniana ny hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena nandalo teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary nananganana ilay vaomiera ikambanana isasahana isika, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy.

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Iray volana nitondran’ny PDS ao Toamasina I Raikitra ny kiantranoantrano sy ny aferafera…

22/07/2019

Ny alarobia 17 jolay teo no nivory nifidy izay ho filohany ireo mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina.

 

Lanin’ny mpanolotsaina 19 tamin’izany Atoa Franck Davidson, ny Dr Hassanaly Patrick no filoha lefitra voafidy. Ny Zokiolona Pr Mangalaza Eugène sy Dr Avizara Prisca zandriolona no nitarika ny fivoriana satria ny filoha teo aloha voatendrin’ny fanjakana ho PDS-n’ny kaominin’i Toamasina I.  Ny 04 jolay teo no feno iray volana ny naha PDS an’Atoa Razafimanana Christain. Niezaka nangina avokoa ny rehetra naheno sy nahita izany, saingy ankehitriny kosa dia miteny avokoa noho ny fahitana ny fitotongan’ny kaominina, izay mihamafy noho ireo tranga teo aloha raha ny zava-misy. Nambaran’ireo mpanolotsaina nanontaniana, sy ireo mpiasa manomboka ny ho kivy tanteraka, fa tao anatin’ny iray volana naha PDS an’Atoa Razafimanana Jean Christain, dia voatendry hiasa eo anivon’ny kaominina avokoa ny fianakaviany sy ireo namany ary ireo olom-patatry Rtoa solombavambahoaka. Ny tena olana izao anefa dia ny resa-bola, satria tao anatin’ny iray volana monja dia efa nahatratra 200 tapitrisa ariary ny vola navoaka tamin’ny vidin-tsolika nampiasan’ny kaominina sy ny ekipan’ny mpanatanteraka. Mbola nanamafy anefa ny PDS Razafimanana Jean Christain fa na fotoana fohy aza no haha PDS azy noho izy ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy eo, dia vonona hiasa ny tenany sy ireo ekipany. Tahaka izany ny fahazoana ireo takamoa an’arivony hapetraka amin’ireo andrinjiro amin’ny fiaraha-miasa amin’ny jirama. Hisy koa ny ho fampidinana ho 3.000 ariary sy 1.000 ariary ary ho 500 ariary ho an’ny mpianatra ny hetra natokana amin’ny moto sy ny bisikileta araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny PDS.

 

Rakoutou

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana