Dans la męme rubrique

A-B-C-D-F

29/07/2019

Malaza ankehitriny ny fanamboarana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Anisan'izany ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana, ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ary ireo zavatra maro hafa.

A-B-C-D-F

Hamaky ny tohiny...

Fandresen’ny Malagasy rehetra

01/07/2019

Fifaliana no nandraisantsika mianakavy ny fandresena halina. Na teny an-dalambe na tany an-tokantrano, eny fa na ny teny amin’ny hopitaly ary dia nihoby sy nifaly daholo nahita ny vokatra 2-0 vita omaly.

Fandresen’ny Malagasy rehetra

Hamaky ny tohiny...

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

27/06/2019

Tsara avokoa ny endrika ivelany naseho nandritra iny fetim-pirenena iny.

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

Hamaky ny tohiny...

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

06/06/2019

Maro amintsika no diso hevitra momba ny politika eto Madagasikara sy eto Afrika.

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

04/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka. I

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

03/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka.

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

29/05/2019

Miarahaba ny fanjakana isika mianakavy fa vita soa aman-tsara tokoa ny EPP iray anatin’ny 20.000 isa, tany Toamasina.

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

Hamaky ny tohiny...


Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana

Zaza kanto sy mandroso

22/07/2019

Tena mahafinaritra ny fitondrana ireo zandry kely mpihira mitety tany sady manohana ny ekipa Malagasy.

 

 

 

 Tsy mbola nisy nahavita izany angamba teto Madagasikara ary hita fa tena faly tokoa izy ireo mipetraka amin’irony hotely lehibe irony. Inoana fa sambany tamin’ny fiainany no nivoaka ny nosy ary niaina tamin’ireny fotoana sarobidy ireny. Raha atao kajy tsotsotra dia mandany eo amin’ny 15 tapitrisa ariary isan’ankizy eo ny fanjakana, raha ampidirina ny saran-dalana sy ny hotely ary ny sakafo ao anatin’ny herinandro. Fa ny indro kely sy fanontaniana dia ity : Izay ve no tena mety mahasoa sy maika ho an’ireny zaza ireny ?

Andao mba hijery lavitra kely. Nahoana raha hofanina ho tonga matihanina tsara amin’ny hira ry zaza kanto raha io kolontsaina io no heverina fa ho asany aoriana ? Nahoana raha sokafana amin’ireny sehatra fifaninanana iraisam-pirenena ireny izy ireo ? Aoka tsy hohadinoina fa tsy misy afa tsy ny fianarana sy ny fiofanana no ampinga tsara indrindra entina hiadiana amin’ny fahantrana.

Etsy an-daniny, tokony hojerena haingana ihany koa ireo mpanakanto Malagasy tsy an-kanavaka, mba hahafahan’izy ireo mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria fantatra fa tsy mbola tena mahavelona ny zava-kanto eto Madagasikara satria iva dia iva ny fahefa-mividy misy eto amintsika raha oharina amin’ny seho sy kanto any ampita. Maro ireo artista Afrikanina no efa tafiditra amin’izany sehatra maneran-tany izany. Raha tsy hitanisa afa tsy ry Manu dibango, ry Youssou Ndour sy maro hafa. Isika  rahateo koa mila mahatoky tena fa manana traikefa ahafahana miditra amin’ny kalitao iraisam-pirenena. Moa tsy izany ve no vao nasehon’ny Barea farany teo ?

Eto am-pamaranana dia marina fa tsara ny fety fa manaitra ny maso eo no ho eo fotsiny ihany, ka tsy aleo ve mba zavatra tena maharitra no hatolotra rehefa samy hanao fandaniana ihany ?  

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana