Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

19/07/2019

Ny talata lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa nangatahin’ny mponina tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny.

 

 

 

Paositry ny polisy iray, sekoly tsy miankina roa ary Epp iray niampy trano fivoahana no vita. Tao amin’ny kaominina Ambatoboeny no nanokanana azy ireo.  Ankoatra izay, tao amin’ny fokontany Mangakely tao amin’ity distrika ity ihany, dia nahazo efitrano sekoly roa niampy efitra fianarana informatika ny tao amin’ity fokontany ity.  Nivaly avokoa ny ankamaroan’ny fangatahan’ny  mponina tao amin’ireo fokontany sy kaominina ireo.  Tonga nitokana ireo fotondrafitrasa ireo ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana, ny Ben’ny tanànan’Ambatoboeny, ny prefen’i Mahajanga, natrehan’ireo sivily sy miaramila tany an-toerana. Samy naneho ny hafaliany avokoa ireo vahoaka nahazo izao fotodrafitrasa izao, hoy ny fanazavana. Nahazo vahana ary nirongatra tao amin’io distrika io ny asan-jiolahy isan-karazany, ka nanolorana izao paositry ny polisy izao. Nampitomboina ihany koa ny isan’ny mpitandro ny filaminana hiasa any an-toerana ary hanao fisafoana ny faritra mafana sy hanjakan’izay asan-dahalo izay. 

 

Sitraka r.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana