Dans la mme rubrique

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

20/08/2019

Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

Hamaky ny tohiny...

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

20/08/2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

20/08/2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

20/08/2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

20/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

19/08/2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Paikadin’ny mpangataka Mody torana na manofa zaza …

18/07/2019

Anisan’ireo toerana ahitana mpangataka betsaka indrindra ny eto amin’ny renivohitr’Antananarivo, indrindra fa ny eny Analakely sy ny manodidina.

 

 

 

Saika ankizy tsy ampy taona avokoa ny ankamaroan’izy ireny, manodidina ny dimy ka hatramin’ny 17 taona. Ao koa anefa ireo efa nahazoazo taona sy ny beantitra.  Asa toy ny fivelomana rehetra ihany ny fangatahana ho an’ireto sokajin’olona ireto. Tonga maraina eny an-toerana izy ireo ary mody kosa rehefa manodidina ny amin’ny fito ora hariva ho an’ireo izay manana toeram-ponenana raikitra. Manana ny paikadiny entiny hampiroboroboana izay fidiram-bolany ireo mpangataka dia ny fitondrana zaza miaraka amin’izy ireo. Ny zaza matetika no atao fitaovana hambaboana ny fon’olona, satria izy ireny no mba misy mangoraka, hoy ny fanazavan’ny mpangataka nanaovana ny fanadihadiana. Tsy maintsy hoentina mivezivezy manaraka sy mitetitety ireo toerana mety hahitana vola, araka izany ireo ankizy.

“Tsy misy manome vola izahay rehefa tsy mitondra ireo ankizy ireo. Indraindray ny olona taitaitra tampoka dia lazainy fa mpangalatra ianao na mpisintona finday”, hoy  i Rindra, ramatoa mpangataka eny Analakely. “Izahay efa lehibe dia tsy misy manome  vola intsony, fa ny zazakely ihany no mampalahelo ny olona ka itserany sy mba omeny izay foiny”, hoy izy. Tsy mahagaga noho izany raha toa ka saika ankizivavy sy renim-pianakaviana no mangataka eny rehetra eny.

                                            Fampanofana zaza

Miovaova araka ny vaninandro io paikady fiasa ho an’ny mpangataka io. Raha toa ka nalaza ny tany aloha hoe mody torana sy mitsipatsipaka rehefa omena sakafo, dia izao indray tsy maintsy mitondra zaza. Mifandraika   amin’izay anefa, mandeha koa ny feo tao ho ao fa zaza ampanofaina ireny entina mangataka ireny. Misy ireo renim-pianakaviana no mitondra zaza maromaro mitovitovy ary ampitoviana hatramin’ny fiankajony ka lazaina fa kambana. Raha ny nambaran’ny manodidina , fomba fiady fotsiny izany mba hoentina hangalana vola amin’ny olona, satria ambara fa kambana ireo zaza ary mila fanampiana amin’ny fikarakarana.

                                    Mahazo hatramin’ny 10.000 ariary

Na eo aza anefa ny tranga toy izany, tsy very anjara hatrany ireo mpangataka eto amintsika. Mbola misy ny mitsinjo ny maha olombelona sy ny mpiara-monina. Nandritra ny tafa natao tamin’ireo mpangataka teny Analakely, dia 3.000 ariary ka hatramin’ny 10.000 ariary no vola azon’izy ireo isan’andro. Misy anefa ireo izay tena mangoraka, hoy i Lisy, ka manome 5.000 ariary na 10.000 ariary indray mandeha. Rehefa faran’ny herinandro, ny zoma sy ny sabotsy ary rehefa andro fety no miditra bebe kokoa ny vola ho azy ireo. Vary sy laoka ary tsindrim-bavony kely no tsy maintsy laharam-pahamehana ampiasana ireny. Manaraka ho azy eny ny vola natokana ho an’ny fitafy sy fitsaboana tena. Ny fianaran’ny ankizy tsy lazaina intsony.

                                                  Ifaninanana

Saika mpihavana sy mifankafantatra avokoa ny ankamaroan’ireo mpangataka mifanaretsaka eny an-dalambe eny. Na eo aza anefa izay fifankazarana izay, nambaran’izy ireo fa misy hatrany ny mifampialona. Tsy mahazaka ireo sasany mahazo vola betsabetsaka ny hafa, hany ka tonga hatramin’ny fifandonana sy ny fifanaovana taimbava sy ny fifampikasihan-tanana. Toy ny olon-drehetra, manam-paniriana ny hivoatra sy hiala amin’izany asa fangatahana izany izy ireo. Iraisan’ny rehetra ny mba hiasa an-trano, satria izay no hitany fa mifanaraka amin’ny faripahaizana ananany. Ananan’izy ireo alahelo kosa anefa ny fihetsika ataon’ny olona indraindray. Ao ireo manilika, mandatsa sy manompa mihitsy aza. Mihevitra ny olona fa hangalatra no tena tanjon’izy ireo, kanefa nambaran’izy ireo fa misy sokajiny ireo mpangataka manao izany. “Ny tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona, tsy voatery ho olona malotoloto fiankajo toa anay foana no mangalatra sy manao asa ratsy toy izany. Eto Analakely eto, misy ny olona mody miakanjo mihaja kanefa mangalatra sy mangarom-paosy no asany, ka aoka tsy hifanilikilika, hoy ny hafatr’i Noeline mpangataka.

 

Nanangona Sitraka r. 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana