Dans la męme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalĂ na iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Varotra rongony eny Anosizato Telo mianadahy voasambotra

17/07/2019

Ny tompon’ny zava-mahadomelina tao Anosizato no nanome asa tovolahy iray mpitady asa mba hivarotra rongony teny Itaosy.

 

 

Ity farany izay nivarotra ny entana antsinjarany teny Avarabohitra Itaosy no tra-tehaka voalohany nahafahan’ny mpitandro filaminana nanambotra ny mpambongady rongony teny Tandrokomby Anosizato.  Olona miisa telo izy ireo, noho izany  ka lehilahy  ny roa ary vehivavy  ny iray, no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy ny 13 jolay teo.

Ny  4 jolay mantsy nahazo angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy fa misy olona  mivarotra rongony eny  Anosizato. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo nijery ny zava-nisy. Lehilahy iray nivoaka avy any anelakela-trano nibaby sakaosy maintimainty no hitan’izy ireo teny an-toerana. Natao ny fanaraha-maso an’ity tovolahy ity nandritra ny andro maromaro, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Ny  13 jolay 2019 dia  nosamborina teny Ambodirano Avarabohitra ilay tovolahy. Nahitana rongony 1,8kg teny aminy nandritra ny fisamborana azy.  Ilay lehilahy tratra indray  avy eo no nahafahana  nisambotra ireo olona roa teny Anosizato. Nandritra ny fisavana ny tranon’ireto farany dia  nahitana rongony milanja 180kg tao amin’izy ireo. Fantatra ary fa   amidin’ilay tovolahy  45 000Ar ny sase  ary eny Itaosy no amarotany izany iray. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny Polisin’ny STUP. Manodidina ny 25 hatramin’ny 46 ny salan-taonan’izy ireo.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana