Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifampitifiran’ny jiolahy sy mpitandro filaminana Lavo tao Sadabe ny dahalo roa mitam-piadiana mahery vaika

17/07/2019

Nampita ny vaovao tamin’ireo mpitandro filaminana manodidina, ny zandary avy ao amin’ny paositra Mangamila mahakasika dahalo mampidi-doza izay miriaria.

 

 Maty voatifitry ny zandarin’ny Borigadin’i Sadabe, taorian’ny fifanjevoana ny roa tamin’izy ireo. Efa nampitandrina ny miaramilan’ny zandarimariam-pirenena fa namaly bontana avy hatrany ireo dahalo izay nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika koa ka voatery nampiasa ny basiny ireo zandary mba ho fiarovantenan’izy ireo. Ny alatsinainy teo tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nitranga ny sakoroka teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo dahalo roa nirongo basy mahery vaika vita gasy sy zava-maranitra, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena Ankadilalana. Teo Ambatomanjaka, ao anatin’ny fokontany Andranomalaza, kaominina ambanivohitra Sadabe, Manjakandriana no nisehoan’ny fifampitifirana. Teo no lavo ireo jiolahy raindahiny roa ireo izay avy any Ambohijafy sy Ambakoreny amin’ny Faritra Analaroa. Azo ireo fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ireo malaso miaraka amin’ny tranom-bala kalibra 12. Araka ny fampitam-baovao azo antoka hatrany, efa nandravarava sy nampihorohoro ny faritra avaratry ny Faritra Analamanga iray manontolo iny ireto dahalo ireto.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana