Dans la mme rubrique

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

23/08/2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

Hamaky ny tohiny...

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

23/08/2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

 

 

 

 Mandalo  eto an-tanindrazana ankehitriny ny iraka avy amin’ny AII : African Israel Initiative, na fikambanam-piaraha-miasa eo amin’i Israel sy ny Afrikanina, tarihin’ny Pastora Jostein Skevik, izay tale misahana ny departemanta momba ny baiboly ao amin’ity fikambanana ity. Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana izy ireo omaly maraina. Dinika savaranon’ando momba ny hanaovana tanàna mpirahavavy ny renivohitr’i Madagasikara sy i Jerosalema no nataon’ny roa tonta tamin’izany, hisy avy eo ny fitondrana ny hevitra tapaka any Israel mialoha ny tena hirosoana amin’ny fifamatorana eo amin’ny tanàna roa tonta. Ny AII dia fikambanana kristianina tsy miankina amin’ny fiangonana, manamora ny dingana ho fiaraha-miasa amin’ny any Israely, manamora koa izy ireo ny fomba hahafahana mitsidika ny any Jerosalema sy ny avy any mankaty. Any Jerosalema no misy hopitaly tsara indrindra manerana izao tontolo izao, lasa lavitra izy ireo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, avo lenta ny resaka fanabeazana, heverina noho izany ny hampiharana izany amin’ny lafiny sosialy sy ny fampandrosoana ny mponina eto an-drenivohitra.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana