Taratasy hoan'i jean
Zavatra tsy vita amin’izao dia efa eeee….
17/07/2019
Tena hafa, tsy fahita tato anatin’ny 59 taona marina ry jean iny nataonareo teny an-dapa iny a.
Tsy nisy nitsipaka, tsy nisy nanakiana, tsy nisy nody fanina fa dia niara-nirona.Tafaverina amin’i toerany ra Jeanne anisan’ny olona tsy foinao, sa tsy afaka ahilikao ? Eny e, ianao ry jean kely no mahafantatra ny tena marina fa ny hitanay tsotsotra itony aloha dia andihizanareo ny tanàna.Zavatra tsy vita amin’izao ry jean kely dia efa tsy haiko intsony a…tsy hoe manararaotra to any banga mihomehy amin’ny alina intsony ianareo fa dia efa tompon’ny andro sy ny alina mihitsy e.Mandeha ny mandeha, izay atao toa mety avokoa.Ary mba tairo amin’izay ry jean kely ireny fampanantenana manjelanjelatra be nataonao ireny a.Miandry anie zahay e, dila ihany ity ilay enim-bolana, ireny efa niaraha-nahita ireny ny adalana sy tsy fahamatoran’ny mpiara-miasa aminao misimisy ihany.Kanefa toa hoe : tsy misy miala eo rasta hono.I jean be loha aza toa renay fa hoe midongy toerana tsy mety mandao lapa.Ry jean be ketrika moa, na fitsarana vazaha aza toa tsy sahy nikitikitika azy intsony, mafy nareo ka.Alefa jean kely a..miandry izahay fa tandremo fotsiny be fandrapaka loatra ary mba jerijereo ihany ny manodidina anao fa maro no mana-talenta amin’ny adalana manara-penitra ao.
Marco