Dans la męme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tontolo politika Hisy fifandanjan-kery amin`izay

16/07/2019

Miandry ny fampiharana ny didim-panjakana ho an`ny fanoherana isika mba hisian`ny fifandanjan-kery eo amin`ny tontolo politika ka tsy tokony hisy intsony ny sakana amin`ny demokrasia eto Madagasikara.

 

 

Ny fampiharana ny lalàna na ny lalàmpanorenana dia tokony hisy na ny lalàna fampiharana na didim-panjakana. Hatreto, tsy nisy tao anatin’ny dimy taona ny fijerena ny fanekena ny antoko mitondra ny fanoherana saingy izao misy ny antoko mpanohitra ara-dalàna nahafeno ny fepetra. Tsy azo adinoina fa isika ao anatin`ny ara-dalàna ahafahana mametraka ny ara-dalàna. Misy ny lalàna 2011-013, izay mametraka ny fanoherana. Voalaza ao anatin`ny and. faha-2 fa mahafeno fepetra ho mpanohitra ny antoko iray na vondron`antoko iray raha manao fanambarana ampahibemaso sy mametraka antontan-taratasy amin`ny minisiteran`ny atitany ka nankatoavin`ity farany. Ny adihevitra ankehitriny dia izay ho lehiben`ny mpanohitra. Ahoana no ahafahana mametraka ny lehibeny ary iza no hifidy azy ? Ny and. 6 amin`io lalàna io dia milaza fa ny antoko mpanohitra mahafeno fepetra voalaza ao amin`ny and.2 dia lasa mpanohitra ara-dalàna. Raha misy tsy hifanarahana eo amin`ireo antoko politika tena mahafeno fepetra dia ireo no manao fifidianana mametraka ny lehiben`ny mpanohitra. Ny antoko Tiako I Madagasikara irery ihany anefa no nankatoavin`ny fanjakana Malagasy ho mpanohitra fa ny hafa dia tsy ara-dalàna toy  ny antoko Manda ho amin`ny Firaisam-pirenena, izay tarihan`i Lalatiana Ravololomanana, dia tsy ara-dalàna eo anivon`ny fanjakana araka ny lisitra navoakan`ny minisiteran`ny atitany. Noho izany, ny antoko Tiako I Madagasikara dia malalaka amin`ny fametrahana izay ho lehiben`ny mpanohitra. Iza no antsoina raha tsy mahafeno fepetra ireo antoko sasany ? Tsy maintsy miandry ny fankatoavan`ny HCC sy ny fiadidian`ny Repoblika io filoha io ary mametraka azy eo amin`ny Antenimieram-pirenena. Dingana sisa io fa tsy misy antony hafa ho sakana amin`ny fanatanterahana azy. Araka izany, misy fifandanjan-kery amin`ny fisian`ny antoko TIM ho mpanohitra manomboka izao. Misy ny mpitondra, misy ny mpanohitra, misy arofanina.

Tsara ny manamarika fa efa tamin`ny taona 2011 no nandaniana io lalàna 2011-013 io. Ny 18 aogositra no nanolotra azy io ny CT sy CST tamin`izany. Ny 07 septambra no neken`ny HCC ka ny 09 septambra no nankatoavin`ny filohan`ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny 11 septambra 2011 kosa no nivoaka tamin`ny gazetim-panjakana. Marihina fa tsy anjaran`ny fahefana mpanao lalàna no mametraka ny lehiben`ny mpanohitra fa anjaran`ireo antoko mpanohitra ara-dalàna na koa vondron`antoko mijoro ara-dalàna.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana