Dans la męme rubrique

Tsy hatao tandrametaka kosa e

06/02/2020

Miraradraraka ny IST na ny tsy fahazoana mivoaka Asa inona no antony fa dia gaga izahay vahoaka ? Sa ho fisorohana ny tsy ahavoa an'ilay areti-mandringana ? Sao hevi-politika, mifono fingampingana ?

Tsy hatao tandrametaka kosa e

Hamaky ny tohiny...

Miandrandra fivoarana

31/01/2020

Fomba fijery samy manana ny azy Fitondrana firenena tsy kilalao na vazivazy Izay tsara nataon'ny teo aloha aoka mba hitohy Ary ireo fomba ratsy kosa , ario , fongaro tsy hisy intsony.

Miandrandra fivoarana

Hamaky ny tohiny...

Hafatra

18/09/2019

Ho anareo mpifaninana ho ben'ny tanĂ na anio Antananarivo madio, no tanjona ka tadidio

Hafatra

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Tsy laizina mihitsy

11/09/2019

Dia ahoana ry Jean a ! Tsy laizina mihitsy ianareo ity a! Tena izany no hoe vao lasa mihitsy ve ilay olona dia miverina ny ratsy fanao?

Taratasin’i Jean Tsy laizina mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mihaingo ambony tsikoko

05/09/2019

Dia ho sanatria ve mihaingo ambony tsikoko foana ? Mody milaza voky nefa farofy sy tena noana. Fihatsaram-belatsihy tsy misy fiafarany no efa mahazatra Takonana lava ny ratsy mba ampisehoana izay tsara

Mihaingo ambony tsikoko

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Tsy misy hofetsenareo

29/08/2019

Io indray ianao ry Jean fa mody manao mampalahelo be an ! Sao dia heverinao fa misy hofetsenareo amin’izany ary eo ! Tsy misy io Jean a !

Taratasin’i Jean Tsy misy hofetsenareo

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Aiza ianao eee !

27/08/2019

Any ianao izay ry Jean ! Lasa tsy an-kiteniteny. Fa lasa aiza marina ianao e ?

Taratasin’i Jean Aiza ianao eee !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Fadin-drazanareo ve ny manetry tena ?

15/07/2019

Tena miaiky aho ry jean kely fa tena fadin-drazanareo mihitsy izany ilay fanetren-tena a.

 

Fitiavana te hisehoseho ny betsaka, ary ny tena mahasosotra dia ataonareo fitaovana ny olon-drehetra, izay entanim-po sy fitiavana moa ka mety tsy dia afaka mandinika tsara intsony fa dia lasa izao.Ianareo poerapoera iray trano.Ny resaka hoe fandaminana izany moa dia eee…f’angaha moa ry Jean kely tsy efa mpikarakara lanonana fanta-daza indray ianao a.Mba ampianaro ny ekipa fa tena mahamenatra sady mamizan’olona fotsiny.Ry zalahy noheverina fa hanala havizanana amin’ny vanitika indray no lasa niteraka fahasorenana.Ny mpampandihinareo tena variana amin’ny fampihetsehana fitombenana, tsy mahatsapa tena intsony hoe hita manerana ny nosy anie io zavatra atao io, ary mety misy zaza tsy ampy taona mijery an’io.Avy eo mbola avo vava indray ilay rakalakely efa fantatrao ihany, rehefa azy izay moa ny fitenenana dia eeee…tsy misy faingo, tsy misy teboka ary izy tsy diso mihitsy fa ny teo aloha foana no nanao ny tsy mety.Amboary io fomba fiasanareo io ry Jean kely fa sao hivadihan’ny olona eo ianao vao hibabababa dia hanao ranomasom-boay eo indray a.

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana